PROJET BETSAKA: MIROSO HATRANY AMIN’NY FANADIHADIANA NY FIANTRAIKAN’NY FISIAN’NY FARITRA AROVANA.

231 0


πŸ”΄ Samy hafa ny valin’ny fanadihadiana  hita amin’ireo faritra arovana eto Madagasikara araka ny ampahany amin’ny vokam-pikarohana tamin’ny alalan’ny sary azo avy amin’ny « satelliteΒ Β» sy fanadihadiana ifotony  nataon’ny tetikasa BETSAKA tamin’ireo faritra arovana eto Madagasikara .

πŸ”΄ Misy amin’izy ireo no mandeha araka ny tokony ho izy ary tena misy fiantraikany amin’ny mponina manodidina ny fisian’ilay faritra arovana.Misy ihany koa ireo  tena  miaro ny ala sy mampihena ny afo  ao anatin’ny faritra arovana saingy lasa mitombo indray ny fanapahana ala sy ny afo any ivelany.

πŸ”΄ Raha tsiahivina, tetikasam-pikarohana iray mandinika ny fiantraikan’ny faritra arovana eto Madagasikara nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2024 ny tetikasa BETSAKA. Tantanan’ny IRD, Oniversiten’Antananarivo ary CERED. Vatsian’ny KfW, AFD, ANR ary IRD vola. 

πŸ”΄ Tanjon’ny tetikasa ny hijerena  ny fiantraikan’ny faritra arovana amin’ny fiarovana ny natiora sady mandinika ny fiantraikany amin’ny mponina manodidina sy ny fomba fitantanana azy ary ny fivoaran’ny afo.

πŸ”΄ Ho fanehoana sy hifanakalozana momba ny vokatry ny fikarohana mikasika ny faritra arovana eto Madagasikara izay indrindra moa nisy ny hetsika notontosaina teny Ankatso omaly 23 JONA 2026.

πŸ”΄ Navoitra nandritra izany  ny maha-zava-dehibe ny fampiasana sy fanaparitahana angon-drakitra misokatra na ny Β« Open Data Β», ary ny famoronana tahirin-kevitra ara-tantara hanamora ny fikarohana sy ny fitantanana ny harena voajanahary.

πŸ”΄ Nodinihin’ireo mpikaroka sy mpandray anjara ihany koa ny fahombiazan’ny faritra arovana amin’ny ady amin’ny fandripahana ala sy ny doro tanety ary ny anjara birikin’ireo faritra arovana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zavamananaina.

✏Me

Related Post

ππˆπ€π‘π€πŠπ€ ππ€ππ€π“πŽππ“πŽπ’π€ π…π€πŒππŽπ‹π„π-πŠπ€π™πŽ 𝐍𝐘 π€π•π˜ π€πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐂𝐂 π’π˜ 𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐉𝐒 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€

Posted by - fΓ©vrier 12, 2025 0
ππˆπ€π‘π€πŠπ€ ππ€ππ€π“πŽππ“πŽπ’π€ π…π€πŒππŽπ‹π„π-πŠπ€π™πŽ 𝐍𝐘 π€π•π˜ π€πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐂𝐂 π’π˜ 𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐉𝐒 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€ π™°π™»π™°πšπ™Ύπ™±π™Έπ™° 12 π™΅πšŽπš‹πš›πš˜πšŠπš›πš’ 2025 Tao anatin’ny Faritra…