๐˜๐ž๐ฆ๐ž๐ง: ๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐š๐จ ๐ ๐š๐ณ๐ž๐ญ๐ฒ ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ง๐š๐ฆ๐จ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐š๐ข๐ง๐ฒ ๐ญ๐š๐จ๐ซ๐ข๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ฉ๐จ๐š๐ก๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐š๐ซ๐š๐ง๐ฒ ๐ญ๐š๐จ ๐Œ๐ฎ๐ค๐š๐ฅ๐ฅ๐š

17 0
Maty taminโ€™ny fipoahanโ€™ny fiarany tao Mukalla, faritaninโ€™i Hadramawt any Yemen, ny mpanao gazety Mohamed Aida, solontenanโ€™ny Al Arabiya sy Al Hadath. Araka ny vaovao azonโ€™ny Reporters Without Borders, baomba namboarina tanana no ahiana nampiasaina taminโ€™ity fanafihana ity.
Niharanโ€™ny fanafihana nahafaty olona ny mpanao gazety Mohamed Aida, ny harivanโ€™ny 24 Jona, tao an-tanร nanโ€™i Mukalla, any aminโ€™ny faritaninโ€™i Hadramawt, Yemen. Araka ny fitantarana voaray, vao avy nanatitra ny vadiny sy ny zanany efatra tao an-tranony izy no niainga ho any aminโ€™ny birao eo an-toerana anโ€™ny fahitalavitra saodiana mpitatitra vaovao Al Arabiya. Fotoana fohy taorianโ€™izay, tokony ho taminโ€™ny 6 ora hariva, dia nipoaka ny fiarany.
Araka ny vaovao azonโ€™ny Reporters Without Borders na RSF, dia baomba namboarina tanana no nahatonga ilay fipoahana. Mbola eo am-piandrasana ny valinโ€™ny fanadihadiana ofisialy anefa ny raharaha, ka tsy mbola fantatra mazava hatreto ireo mety ho tomponโ€™antoka na ny antony nanosika ny fanafihana.
Nambaranโ€™ireo mpiara-miasa aminโ€™i Mohamed Aida fa naharay antso sy hafatra fandrahonana, ary koa hafatra feno fanevatevana tsy fantatra anarana, izy tao anatinโ€™ny andro vitsivitsy nialoha ny nahafatesany. Voalaza ihany koa fa tsy vao izao no nisedra fandrahonana izy, fa efa nisy tranga mitovitovy taminโ€™izany nandritra ireo taona lasa.
Naneho alahelo lalina ny RSF manoloana ity famonoana ity. Nambaranโ€™ny fikambanana fa loza mampalahelo lehibe izy ity, sady mampahatsiahy indray ireo vanim-potoana nahatsiravina nisianโ€™ny famonoana mpanao gazety tany Yemen. Ho anโ€™ny RSF, mampanahy manokana ny zava-misy satria efa nisy famantarana mialoha taminโ€™ireo fandrahonana niverimberina nahazo ilay mpanao gazety.
Mihoatra lavitra noho ny fahafatesanโ€™olona iray ny lanjanโ€™ity raharaha ity. Mampiseho indray ny loza atrehinโ€™ny mpanao gazety miasa any aminโ€™ny faritra misy fifandonana sy tsindry politika izy, indrindra rehefa mikasika lohahevitra saro-pady ny asa fanaovan-gazety. Raha tsy voaaro ny mpanao gazety, dia voa mivantana ihany koa ny zonโ€™ny vahoaka hahazo vaovao marina sy tsy miankina.
Noho izany, miantso ny manampahefana mahefa ny RSF mba hanatanteraka fanadihadiana lalina, mangarahara ary mahaleotena momba ity famonoana feno habibiana ity. Tanjona aminโ€™izany ny hamantarana ireo rehetra mety ho voarohirohy, sy hitondrana azy ireo eo anatrehanโ€™ny fitsarana, ao anatinโ€™ny fanajana tanteraka ny lalร na sy ny fizotry ny fitsarana.
Ny fahafatesanโ€™i Mohamed Aida dia fampahatsiahivana indray fa mbola marefo ny fiarovana ny mpanao gazety any Yemen. Mitaky valiny mazava, fitsarana marina ary fepetra hentitra hisorohana ny tsy maty manota ny raharaha.
Source : Reporters sans frontiรจres

Related Post

๐ƒ๐ˆ๐’๐“๐‘๐ˆ๐Š๐€๐’๐ˆ ๐’๐Ž๐€๐๐ˆ๐„๐‘๐€๐๐€-๐ˆ๐•๐Ž๐๐†๐Ž ๐…๐„๐’๐“๐ˆ๐•๐€๐‹ ๐ƒ๐„ ๐‹๐€ ๐๐ˆ๐Ž๐ƒ๐ˆ๐•๐„๐‘๐’๐ˆ๐“๐„ฬ ๐Ÿ–๐„๐Œ๐„ ๐„ฬ๐ƒ๐ˆ๐“๐ˆ๐Ž๐

Posted by - mars 4, 2024 0
๐ƒ๐ˆ๐’๐“๐‘๐ˆ๐Š๐€๐’๐ˆ ๐’๐Ž๐€๐๐ˆ๐„๐‘๐€๐๐€-๐ˆ๐•๐Ž๐๐†๐Ž ๐…๐„๐’๐“๐ˆ๐•๐€๐‹ ๐ƒ๐„ ๐‹๐€ ๐๐ˆ๐Ž๐ƒ๐ˆ๐•๐„๐‘๐’๐ˆ๐“๐„ฬ ๐Ÿ–๐„๐Œ๐„ ๐„ฬ๐ƒ๐ˆ๐“๐ˆ๐Ž๐ : ๐๐ˆ๐‡๐„๐๐€ ๐Ÿ•% ๐๐˜ ๐“๐€๐‡๐€๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐Œ๐๐€๐‡๐€๐๐€ ๐‡๐€๐™๐Ž.   95 % ny fampidirambolany…