π“π€ππ‰πŽπŒππ€π“πŽ : π’π„π“π‘πŽπŠπ€ πŒπ€πˆππ“π˜ ππ€ππ„π‹πˆππ†π„π‹πˆππ€ πŒππŽππˆππ€, πŽπ‘πˆππ€π’π€ πˆπ‘π€π˜ ππ€πŒππˆπ“π€ππƒπ‘π„πŒπˆπβ€™ππ˜ πŒπ„πƒπƒ

14 0
Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy β€” MEDD, taorian’ny fitarainan’ny mponina momba ny setroka mainty navoakan’ny orinasa iray ao amin’ny zone Forello-Tanjombato. Tanjona : hiaro ny fahasalaman’ny mponina, ny rivotra iainana, ary hampahatsiahy fa tsy azo atao sorona noho ny famokarana ny tontolo iainana.
Natao ny zoma 19 jona 2026 ny fidinana ifotony, niarahan’ny MEDD tamin’ny solontenan’ny Kaominina Tanjombato. Nandritra izany no nahitana tsy fahatomombanana teo amin’ny fiasan’ny chaudiΓ¨re ampiasain’ilay orinasa. Hita ihany koa ny fisian’ny fako taratasy sy plastika tao an-toerana, izay voalaza fa anisan’ny mety niteraka ilay setroka mainty nandoto ny rivotra sy nampiahiahy ny mponina manodidina.
Tsy natao ambanin-javatra ny zava-nisy. Araka ny fanamarinana teny an-toerana, neken’ny tompon’andraikitry ny orinasa ireo lesoka hita. Noho izany, nampitandremana avy hatrany ilay orinasa ary nomena fe-potoana 30 andro hanitsiana ireo tsy fetezana ara-teknika sy ara-tontolo iainana rehetra. Mazava ny hafatra : tsy maintsy hajaina ny fenitra, ary tsy azo ekena ny fandotoana rivotra mety hanimba ny fahasalaman’ny vahoaka.
Manamafy ny MEDD fa tsy maintsy mandray andraikitra ireo orinasa mpamokatra rehetra. Ny fampandrosoana ara-toekarena dia tokony handeha miaraka amin’ny fanajana ny tontolo iainana, fa tsy hanitsakitsaka azy. Tsy vitan’ny hoe adidy ara-dalΓ na izany, fa andraikitra ara-moraly ihany koa amin’ny mponina, indrindra amin’ireo faritra ipetrahan’ny olona sy ahitana fivezivezen’ny vahoaka isan’andro.
Ity tranga tao Forello-Tanjombato ity dia fampahatsiahivana mazava fa manana zo hiaina amin’ny rivotra madio ny olom-pirenena. Ankasitrahana ny fanairana sy fampitam-baovao nataon’ny mponina, satria nahafahana nandray fepetra haingana. Etsy ankilany, ampitandremana ireo orinasa rehetra : tsy maintsy hajaina ny lalΓ na sy ny fenitra ara-tontolo iainana, fa raha mbola mitohy ny tsy fanarahan-dalΓ na dia tokony hisy fepetra henjana kokoa horaisina.
Nangonin ‘Lay Mahitsy
πŸ“·Β π˜”π˜ͺ𝘯π˜ͺ𝘴π˜ͺπ˜΅π˜¦π˜³π˜’π˜―β€™π˜―π˜Ί π˜›π˜°π˜―π˜΅π˜°π˜­π˜° 𝘐𝘒π˜ͺ𝘯𝘒𝘯𝘒 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘒𝘯π˜₯𝘳𝘰𝘴𝘰𝘒𝘯𝘒 π˜“π˜°π˜·π˜’π˜ͺ𝘯𝘫𝘒𝘧𝘺

Related Post

ππˆπ€π‘π€πŠπ€ ππ€ππ€π“πŽππ“πŽπ’π€ π…π€πŒππŽπ‹π„π-πŠπ€π™πŽ 𝐍𝐘 π€π•π˜ π€πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐂𝐂 π’π˜ 𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐉𝐒 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€

Posted by - fΓ©vrier 12, 2025 0
ππˆπ€π‘π€πŠπ€ ππ€ππ€π“πŽππ“πŽπ’π€ π…π€πŒππŽπ‹π„π-πŠπ€π™πŽ 𝐍𝐘 π€π•π˜ π€πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐂𝐂 π’π˜ 𝐍𝐘 𝐃𝐑𝐉𝐒 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€ π™°π™»π™°πšπ™Ύπ™±π™Έπ™° 12 π™΅πšŽπš‹πš›πš˜πšŠπš›πš’ 2025 Tao anatin’ny Faritra…