𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π— π—”π—‘π—’π— π—•π—’π—žπ—” 𝗑𝗬 𝗔𝗗𝗬 π—”π— π—œπ—‘`𝗑𝗬 𝗗𝗒π—₯π—’π—§π—”π—‘π—˜π—§π—¬ 𝗔𝗒 π—”π— π—œπ—‘`𝗑𝗬 π—žπ—”π—’π— π—œπ—‘π—œπ—‘π—” π—žπ—”π—Ÿπ—”π—‘π——π—¬

85 0
Tapitra ny vanim-potoanan`ny latsak`orana izay nentina nanaraotana nanaovana fambolena zanakazo. Ankatoka fiatrehana maintany izao dia mihetsika ny ben`ny tanana ao Kalandy, Bebe Alin Andriamandimby miaraka amin`ny vahoaka entiny, miray eo amin`ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ady amin`ny dorotanety no nifarimbonan`ny fokonolona avy Ambalafary, Besanaka, Bekirajy be ary Ambatomena. Fanaovana aro afo na tatak`afo no nanaovana asa tagnamaro androany talata 13 may 2025, tao Magnembahemba, toerana misy hazo nambolena nandritra ny fahavaratra teo.
Ho voaharo amin`ny dorotanety araka izany hazo ireto, satria saika efa mahazo aina ny ankamaroany. Mora ny fanatabterahana ny asa nohon`ny fahavitrihan`ny fokonolona tamin`ny asa, 400, lahy sy vavy no tonga niasa.
Tsy sambany ny kaominina Kalandy manao ezaka toy izao, volana lasa teo nisy ny fametrahana paikady fiarovana atiala ao Ampomby izay mivelatra amin`ny fokontany maro anatin`ny kaominin ity. Nametraka fanamby rahateo ny ben`ny tanana fa ny fokontany tsy ahitana trangana dorotanety mandritra maintany ity dia hahazo fanomezana manokana.
Toa izany koa ny fokontany mazoto mamboly sy mikarakara hazo amin`ny taom-pambolena hoavy io.
Efa samy nanome toky ny handrombaka amboara omby vositra izay avokoa ireo fokontany 15 ao Kalandy.

Related Post