13 MAI 1972 – 13 Mai 2025 Tolona hoan’ilay Fahaleovantena Faharoa 53 taona anio

334 0

13 May 1972, 01 ora maraina Feno FRS sy Gendarmes ny manodidina ny Université. Inona no atao ? Tohizo ihany ny fivoriana hoy ny sasany ! (ao amin’ny Amphi).
Rehefa kelikely niditra nanao amboletra tao amin’ny efitra fivoriana ny mpitandro ny filaminana. – Natao ny fisavàna tsirairay ireo mpivory ary naiditra tao anaty fiara 30 isa an’ny polisy, Gendarmes, Miaramila…niainga ny « Cortège destination inconnue ». Nandalo teny Fenoarivo vao nifanontany hoe « Arivonimamo izany ny Direction ?!!! ».
Tokony amin’ny 06 ora maraina no tonga teny Aérogare Arivonimamo. Ny Steward sy ny Pilote no nilaza fa any Antsohihy na Analalava aloha no aleha….niainga ny fiaramanidina voalohany ; betsaka ny fihetseham-po na ny an’ireo lasa na ny an’ireo tafajanona. Betsaka ny Latsa –dranomaso.
Mpianatra 400 teo ho eo no nosamborina ( tany ampivoriana, tany antranony, teny amin’ny Arabe ny Fahaleovantena).
Ny sasany hafa indray kosa ny Asabotsy nifoha Alahady, ka isany izany ireto : Mompera Rémi Ralibera, Rafenoarison Odon, Rasolonjatovo Willy ( Olàlà), Dr isany Rasamoely Lala, Raysarazaka Janvier, Rakotomalala Manan’Ignace ; Razafindrakoto Dieudonné, Rabetaliana Charles,, Emmanuel Razafindrabe, Raboanarison, Randrianatoro Charles, Ramalanjaona, Rasamizanany Georges (Gazety Andry Pilier), Ratsimbazafy Chermont (Socobis)…mbola hita teny amin’ny sasany ny Pyjama fitondra matory !
Filazàna tao @radio vao maraina : « Voasambotra ireo lohandohan’ny mpitokona. Atolotra ny Fitsaràna izy ireo mba hamaly nybheloka vitany (…) Amin’ny Alatsinainy 15 May izao dia hiditra hianatra ny mpianatra ». Ministra ny Atitany Johasy Barthélémy no nanao ny fanambaràna.
@ 9 Ora maraina – feno olona ny Aaben’ny Fahaleovantena, niriotra ny vahoaka hoatra ny hijery Podium. Tena nahasosotra ny olona ny nisamborana ireo mpianatra. Tena tia zanaka ny Malagasy ka ny fony mihitsy no voadona rehefa io zanany io no voakasikasika, indrindra zanaka mitaky ny rariny sy ny hitsiny nefa samborina andro alina.
T@10 ora maraina :
Ny Zandary moa dia nitandro ny filaminana teo koa. Ny FRS nandefa baomba mandatsa-dranomaso, mipololotra ny setroka (…) tsy nisy voka ny io fa nanampin’orona amin’ny vorodamba natsipin’ny olona avy eny amin’ny varavaran-kelin’ny Avenue rehetra teny. Fa nanapoaka grenady sy Basy marovava ny FRS nony farany.
Loza izany ! Loza tsy roa aman-tany ! Izay tamin’ny andron’i Hitler no asa !
Nitsininika ny rà, nitsitra ny faty. Nanjaka ny habibiana. Nisento ny olo-marina. Nalahelo ny olon’ory. Latsa-dranomaso sy mitomany mihitsy aza ny renim-pianakaviana.
(…) Fa ny Zandary kosa tamin’izany fotoana izany dia NIARO NY VAHOAKA. Matiny daholo ny FRS raha nitifitra ireo, hoy ny olona sasany teo, saingy HENDRY NY ZANDARY SATRIA FANTANY FA MALAGASY HOATRA AZY IREO.
Maro ny maty, mila tsy haharaka intsony ireo fiarakodia nankeny amin’ny Hopitaly. Hipoka i Befelatanana : tao ny tapa-tanana, tapa-tongotra, ny maratra eny amin’ny loha sy na maso ary ny tarehy. Fa nisy koa ny FRS najedaky ny olona tao anaty vahoaka tao….
Mey 1972, Rahajarizafy Rémi, PP84-87 – Librairie Mixte

Nangonin’i Yvon Namelankafatra Rakoto

Related Post

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…