REDD+ : Nahazo famatsiam-bola 39,56 miliara Ariary i Madagasikara noho ny ezaka fiarovana ny ala

125 0

Nahazo ny famatsiam-bola voalohany mitentina 39,56 miliara Ariary i Madagasikara, vokatry ny fivarotana ireo crédits carbone REDD+, izay mifandraika amin’ny ezaka natao tamin’ny fampihenana ny fandripahana ala sy ny fiarovana ny ala eto amin’ny firenena.

Araka ny fanazavana navoakan’ny tompon’andraikitra, dia natokana indrindra ho an’ny fiarovana ny ala sy ny fampandrosoana ifotony ny vola azo. Kendrena amin’izany ny hanamafisana ireo hetsika iarahana amin’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony, mba hampifandanjana ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina.

Kaominina miisa 119 no voakasiky ny fizarana ny tombontsoa azo avy amin’ity famatsiam-bola ity. Hampiasaina amin’ireo tetikasa voafaritra amin’ny alalan’ny fifampidinihana amin’ny mponina eny ifotony izany, ka ahitana ny fanohanana ny fampandrosoana eo an-toerana sy ny hetsika mifandraika amin’ny fiarovana ny ala.

Ho an’ny sehatry ny fiarovana ny zavamananaina sy ny tontolo iainana, dia hisitraka tombontsoa ihany koa ireo faritra arovana miisa 14, izay tantanan’ireo fikambanana sy rafitra samihafa, anisan’izany ny Conservation International (CI), Wildlife Conservation Society (WCS), World Wide Fund for Nature (WWF), Madagascar National Parks (MNP) ary ny The Peregrine Fund (TPF).

Mba hiantohana ny mangarahara sy ny fanaraha-maso ny fampiasana ny vola, dia hiara-hanara-maso ny fitantanana sy ny fampiasana izany ny **Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Vola, ary ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

Tsy mifarana amin’ity famatsiam-bola voalohany ity anefa ny tombontsoa azo antenaina. Araka ny fanazavana, mbola misy famatsiam-bola roa hafa avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, mitentina manodidina ny 42 tapitrisa dolara, izay mety ho azo raha toa ka mitohy ny fihenan’ny fandripahana ala ary voaporofo fa tena mahazo tombontsoa mivantana amin’ireo ezaka fiarovana ny ala ny mponina eny ifotony.

Maneho izany fa mitombo hatrany ny lanjan’ny fiarovana ny ala eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fampandrosoana lovainjafy. Ho an’i Madagasikara, firenena manana harena voajanahary miavaka, dia mbola fanamby lehibe ny fampifandanjana ny fiarovana ny tontolo iainana, ny ady amin’ny fandripahana ala ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina.

Related Post

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…