Dingana iray lehibe amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary no tontosa tao Morondava, nandritra ny fanamarihana ny ๐๐ง๐๐ซ๐จ ๐๐๐ง๐๐ซ๐๐ง๐ญ๐๐ง๐ฒ ๐ก๐จ ๐๐ง’๐ง๐ฒ ๐๐จ๐ง๐ญ๐จ๐ฅ๐จ ๐๐๐ข๐ง๐๐ง๐ (๐๐๐), ny ๐๐ง๐๐ซ๐จ ๐๐ซ๐๐ข๐ฌ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐๐ง๐๐ง๐ ๐ก๐จ ๐๐ง’๐ง๐ฒ ๐๐๐ซ๐๐ณ๐๐ง๐ฃ๐๐ฏ๐๐ฆ๐๐ง๐๐ง๐๐ข๐ง๐ (๐๐๐
) ary ny ๐๐ง๐๐ซ๐จ ๐๐๐ง๐๐ซ๐๐ง๐ญ๐๐ง๐ฒ ๐๐ข๐๐๐ข๐๐ง๐ ๐๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐
๐ข๐ก๐๐ง๐ ๐๐ณ๐๐ง๐๐ง๐ sy ny ๐๐๐ข๐ง๐ญ๐๐ง๐ฒ (๐๐๐๐).
Isany nisongadina tamin’io fankalazana io ny fanaovan-tsonia ๐๐ข๐๐๐ง๐๐ซ๐๐ก๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐๐ซ๐๐ก๐-๐ฆ๐ข๐๐ฌ๐ teo amin’ny ๐๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ญ๐๐ซ๐๐ง’๐ง๐ฒ ๐๐จ๐ง๐ญ๐จ๐ฅ๐จ ๐๐๐ข๐ง๐๐ง๐ sy ny ๐๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐, fiaraha-miasa izay mikendry ny hanamafy ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy hampiroborobo ny kolontsain’ny fiarovana ny zavaboary eny anivon’ny fiarahamonina.
Anisan’ny tanjona lehibe amin’ity fiaraha-miasa ity ny fanapariahana ny tetikasa ๐๐ซ๐๐๐ง ๐๐๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐๐ก๐จ๐จ๐ฅ, izay natao hampivelatra ny fahalalan’ny mpianatra sy ny tanora momba ny fiarovana ny tontolo iainana, sady hanabeazana olom-pirenena tompon’andraikitra sy manana toe-tsaina manaja ny harena voajanahary.
Araka ny fanazavana nandritra ny lanonana, ny fanabeazana ara-tontolo iainana no iray amin’ireo fototra lehibe hahafahana miatrika ireo fanamby ateraky ny fiovan’ny toetrandro, ny fahasimban’ny ala, ny fahaverezan’ny karazanjavamananaina ary ny fihanaky ny haintany. Izany indrindra no antony hametrahana fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana.
Manamafy ny finiavany ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny ONG FANAMBY MAITSO fa ny fananganana taranaka mahafantatra sy miaro ny tontolo iainana dia isan’ireo antoka lehibe hiantohana ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara.
Natao tao Morondava ny fanaovan-tsonia ny 29 Jona 2026, tao anatin’ny hetsika ofisialy nanamarihana ireo andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny harena voajanahary.




