FANOLORANA JIRO MANDEHA AMIN’NY HERIN’NY MASOANDRO HÔ AN’IREO BEN’NY TANÀNA -FARITRA

225 0
FORT-DAUPHIN…
FANOLORANA JIRO MANDEHA AMIN’NY HERIN’NY MASOANDRO HÔ AN’IREO BEN’NY TANÀNA -FARITRA ANÔSY -16 MAY 2025-.
Notolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 6 avokoa ireo Ben’ny tanàna eny anivon’ireo Kominina 69 ato anatin’ny Distrika 3 (Betroka , Amboasary Atsimo, Tolagnaro) mandrafitra ny Faritra Anôsy.
Ireo Ben’ny tanàna 29 ato anatin’ny Distrikan’i Tolagnaro no namaranana ny fizarana izany , raha toa ka efa nisitraka izany ireo Ben’ny tanàna any amin’ny Distrika 2 hafa tamin’ny 08 May 2025.
Ny Governoran’ny Faritra Anôsy Ramatoa Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA no nanolotra ireto jiro ireto tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA : tsy misy Distrika hadino, tsy misy Kominina hadino eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana.
« Ny fahazavana ihany no afaka mandresy ny aizina »
Nangonin’i ARRONE KENNEDY (Faritra Anôsy).

Related Post

𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔

Posted by - février 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 (𝐍𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐡𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) 📌 Rangahy iray 40 taona nanolana…