Analavory : Nampiseho fa ny fiarovana ny tontolo iainana dia andraikitry ny rehetra!

16 0

Notanterahina ny 3 sy 4 Aogositra 2026 tao amin’ny Kaominina Analavory, Distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy ny Festival de l’Écologie 2026, hetsika fanao isan-taona natao hampiroboroboana ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanentanana ny olom-pirenena handray andraikitra manoloana ny fahasimban’ny harena voajanahary.

Nampiavaka ity andiany ity ny hetsika maro samihafa, anisan’izany ny carnaval namakivaky ny tanànan’Analavory, narahin’ny fampisehoana ara-kolontsaina sy hira fanentanana notanterahin’ireo mpanakanto efa malaza sy mavitrika amin’ny fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana.

Araka ny nambaran’ireo mpikaroka nandritra ny hetsika, isan’ireo firenena tena iharan’ny fiovan’ny toetrandro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana i Madagasikara, na dia anisan’ny firenena vitsy indrindra mandray anjara amin’ny famoahana entona mandoto (gaz à effet de serre) aza. Manoloana izany dia nohamafisina ny antso ho amin’ny rariny ara-toetrandro (justice climatique) sy ny fiarovana ny tontolo iainana, izay mifamatotra amin’ny fiandrianam-pirenena ara-tsakafo sy ny fampandrosoana maharitra.

Ny Fikambanan’ny Vehivavy Tantsaha FARM, ny RJDD ary ny CRAD-OI no nikarakara sy tompon’andraikitra tamin’ny fanatanterahana ity hetsika ity.

Nifanindran-dalana tamin’ny festival ihany koa ny fampivondronana ireo vehivavy tantsaha mpikambana ao amin’ny FARM, izay nahazo fiofanana momba ny angovo maitso, indrindra ny famokarana charbon vert, ny hay tarika, ary ny teknikam-pamokarana ara-pambolena tsy mampiasa zezika simika, ho fanamafisana ny fambolena maharitra sy manaja ny tontolo iainana.

Ankoatra ireo fiofanana dia nisy ihany koa ny fampirantiana ny vokatra novokarin’ireo fikambanan’ny vehivavy tantsaha. Tombanana ho 35 teo ho eo ny tranoheva nandray anjara, nampiseho vokatra isan-karazany toy ny vokatra ara-pambolena, masomboly, vokatra voahodina ary ireo fitaovana sy fahaiza-manao mifandraika amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra.

« Natao indrindra izao hetsika izao mba ho fanohanana ireo vehivavy tantsaha sy hanohizana ny fanentanana ny rehetra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana, » hoy Ramatoa Ravoniarisoa Hantanirina Lilia, Filoha Nasionalin’ny Fikambanana FARM, raha nanazava ny tanjon’ny hetsika.

Efa nambara ihany koa fa any amin’ny Faritra DIANA no hampiantrano ny Festival de l’Écologie amin’ny andiany manaraka amin’ny taona ho avy, hanohizana ny fanentanana sy ny ezaka iombonana ho fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara.

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐁𝐎𝐋𝐄𝐍-𝐊𝐀𝐙𝐎 𝐇𝐎 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐍𝐓𝐎𝐋𝐎 𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 | 𝐍𝐘 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐓𝐑𝐀

Posted by - janvier 11, 2024 0
𝐅𝐀𝐌𝐁𝐎𝐋𝐄𝐍-𝐊𝐀𝐙𝐎 𝐇𝐎 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐍𝐓𝐎𝐋𝐎 𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 | 𝐍𝐘 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐓𝐑𝐀   Izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao no fotoana tsara indrindra…

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍

Posted by - mars 4, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍 : 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐀 𝟕% 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐙𝐎.   95 % ny fampidirambolany…

MENABE CONNEXION

Posted by - novembre 18, 2024 0
Nahazo fiaraha miasa amin’ny masoivohon’ny Frantsay eto Madagasika ka tetik’asa eo anivon’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary koa ny lafiny…