Toamasina: Niverina indray ny tsy fandriam-pahalemana.

156 0

πŸ”Ή Maromaro ny trangana tsy fandriam-pahalemana niseho teto toamasina tato aho ato. Taorian’ilay tovovavy 26 taona nisy nitifitra tany Tsararivotra herinandro vitsy lasa izay, androany vao mangiran-dratsy, tamin’ny telo ora maraina dia Raim-pianakaviana 46 taona no namoy ny ainy vokatry ny daroka  hazo nataon’ireo mpanendaka  tao Ankirihiry.
Ny alin’ny Alakamisy hifoha zoma dia renim-pianakaviana iray no naratra mafy  teo amin’ny lohany notafihin’ny jiolahy tao amin’ny toeram-poneny Ambolomadinika,raha ny fantatra dia tokatrano roa no voatafika tamin’io fotoana io.
Ankoatra izay,nandritra ireny orana nikija teto Toamasina ny alahady hifoha latsinainy lasa teo  ,dia tranona Mpiasana Haino amanjery iray no nidiran’ny jiolahy ka betsaka ny entana lasan’ireo jiolahy.
πŸ”Ή Noho ireo tranga ireo dia mihorohoro ny mponina. Miandrandra vahaolana maharitra amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana.

Related Post

ππ‘π„π…π„πŠπ“πˆπŽπ‘π€π’𝐈 π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑢𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑢𝑹𝑰𝑨𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑨𝑻𝑨𝑡𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑷𝑢𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑡𝑲𝑨𝑷𝑢𝑩𝑬𝑡𝒀 𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑱𝑨𝑲𝑨𝑡𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑡𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑡𝑢𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑢𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑡𝑬𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒀…