πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’π€πŒππ€π‹π€π•π€πŽ – π…π€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπ€π“π’πˆπ€π“π‘π€ π€πŒππŽππ˜

221 0

Nifanampian’ny Fokonolona sy ny Solombavambahoaka ny fanamboarana ny tetezana.

Manodidina ny 5.888.000Ar ny fandaniana natao tamin’ny fanamboarana ny tetezana 2 eo Ambondro Ambohimandroso, mampifandray Kaominina 4 ,ao anatin’ny Distrikan’Ambalavao. Naharitra 2 andro ny fanatanterahana ny asa niarahana tamin’ny Fokonolona. Ary noraisin’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambalavao, Atoa Christian Razafimahatratra an-tanana avokoa ny fanamboarana.

Ny Madagascar National Parks kosa no efa namita ny tetezana eo Ampasika alohan’ireto 2 ireto.
Vonjy ranovaky moa izao natao izao fa efa an-dalana ny fanovana ny tetezan-kazo rehetra ho foto-drafitrasa maharitra kokoa.

Tsy sasatra amin’ny fanarenana ny tompon’andraikitra ,na dia mbola tamin’ny 2024 aza no nisy fanamboarana ireto tetezana ireto, ary nohamafisina ny fiambenana sy ny fanasaziana an’izay manimba ny fotodrafitr’asa.

Nangonin’i Ando Rafahatelo
πŸ“·Β©Red Randria

Related Post

Fisolokiana miseho amin’ny Cash Point eto Mandritsara | Namory mpanao cash point ny lehiben`ny kompania

Posted by - fΓ©vrier 24, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – πŒπšπ§π¨π¦π›π¨π€πš 𝐦𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨 𝐯𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐬𝐨π₯𝐨𝐀𝐲 𝐯𝐨π₯𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 π‚πšπ¬π‘ 𝐏𝐨𝐒𝐧𝐭 ( Namory mpanao cash point ny lehiben`ny kompania) ✦Cash…