ZANDARIMARIA TOAMASINA : ASA SOA NATAON’NY ZANDARY VEHIVAVY

687 0

Ny soa atao levenam-bola; Fitsimbinana amin’ny fo feno fitiavana dia avy amin’Ilay Nahary.

Tonga nitsidika sy nanolotra fanomezana ho an’i Christina, izay zazavavy kely 2 taona niharan’ny fanolanana, ireo zandary vehivavy miasa amin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimaria ao Toamasina, notarihin’i Komandà ANDRIANARY Yvette, komandin’ny Vondro-tobim-paritra seranan-tsambo Toamasina sy i Kapiteny MANGAZAFY, ny 05 Janoary 2024, teny amin’ny Hopitalibe Analakinina.

I Christina, raha tsiahivina, dia ilay zazavavy vao 02 taona monja, niharan’ny fanolanana tany Antsampanana Brickaville ka ny rahalahin-dRainy antsoina hoe Tigana, 40 taona ihany no nahavita izany fihetsika mamoafady izany, ary efa nandraisana fepetra ara-pitsaràna.

Nandritra izany dia nitondra izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana azy sy ny renibeny ireo zandary mba ho fitsaboana. Lelavola mitentina 400.000 ariary sy kilalao ho an’i Christina kely no natolotra.
Isaorana an’Andriamanitra fa efa mihatsara ny fahasalamany. Manainga izay manam-pitiavana sy akaiky an’i Toamasina mba hamangy azy eny amin’ny Hopitaly.

#Namanao_ny_Zandarimaria

InfoCom Seg

Related Post

ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

Posted by - décembre 22, 2023 0
𝐀𝐍𝐊𝐈𝐋𝐈𝐕𝐀𝐋𝐎, 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐁𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐆𝐀𝐋𝐀𝐉A𝐙𝐀 𝟑 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐈𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐎𝐀 — 📌 Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo…