TONGA MITSIDIKA NY FARITRA MENABE NY MINISITRY NY SERASERA SY KOLONTSAINA

439 0
✅Ny andron’ny zoma 12 Aprily no nigadona tao Belo sur Tsiribihina ny minisitrin’ny serasera sy kolontsaina Andriamananoro Augustin.
Mamita iraka amin’ny tetikasa hampodiana ny kabeson’ny mpanjaka Toera eto Madagasikara ho fameloman-kasina ny fiandrianam-pirenena, nihaona tamin’ireo fianakavian’ny Kamamy izy ary nitsidika ny toerana nanafenana ny mpanjaka Toera tao Ambiky, Mahavelonarivo, Commune rurale Bemarivo.
Androany 13 Aprily kosa izy no nigadona teto amin’ny renivohitry ny faritra Menabe izay notsenain’ny minisitra mpiahy Haja Resampa sy ireo olom_panjakana eto Morondava izay notarihiny Préfet ny Morondava Rafidison Fidèle sy ny Governoran’ny Faritra Menabe.
Nivoitra tamin’ny fifampiresahana teo amin’ny fitsenana azy ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanendrena ny ho talem-paritry ny faritra Menabe izay miankina amin’ny minisitra mpiahy ny faritra Menabe ny fijerena ny olona tokony hitazona io andraikitra io.
✅Nisaotra ny fitondrana foibe tamin’ny alalan’ireto minisitra roa ireto moa ny Préfet ny Morondava Rafidison Fidèle tamin’ny mbola mbola nametrahana ny fitokisana azy ho préfet ny Morondava indray.
✅Nilaza koa moa ny préfet ny Morondava fa mbola maro ireo tomponandraikim-panjakana tokony tokony hanendrena tompon’andraikitra ato amin’ny faritra Menabe ka miangy ny Governemanta hijery akaiky izany indrindra amin’izao vanim_potoana hiatrehana ny fifidianana izao.
✅Nilaza moa ny minisitra Haja Resampa izay minisitra mpiahy ny faritra Menabe fa manentana ny olona rehetra ny tenany hifidy amin’ny fifidianana solombavambahoaka ary malalaka ny rehetra satria tany demokratika I Madagasikara ka malalaka amin’ny safidiny ny tsirairay fa ny zava-dehibe dia ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fifidianana.
                                                                                                         
                                                                                                                                          🖋️Ra_Pa Menabe

Related Post

𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐎 𝐓𝐒𝐈𝐇𝐎𝐌𝐁𝐄 𝐍𝐈𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐑𝐈𝐒𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀

Posted by - décembre 9, 2025 0
Zava-nitranga manafintohina sy mampalahelo no niseho indray tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. 𝐑𝐀𝐘𝐌𝐎𝐍𝐃 𝐉𝐞𝐚𝐧 𝐍𝐚𝐫𝐜𝐢𝐬𝐬𝐞, 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐍𝐌…