FORT-DAUPHIN:FIVAMI TAOLAGNARO: DIABE NIARAHANA TAMIN’NY TOMPON’ANDRAIKITRA AMBONIN’NY TAFIKA

392 0

Notontosaina ny sabotsy 23 aogositra 2025 nanomboka tamin’ny 07 ora sy sasany maraina tao Taolagnaro ny diabe na  » randonnée » nokarakarain’ny fikambanan’ny vady miaramila (FIVAMI) teo anivon’ny Fari-piarovana sy Filaminana MANDRARE.

Tonga nanome voninahitra sy nandray anjara mavitrika tamin’izao diabe izao ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy sy Ramatoa vadiny, notronon’ny Jeneraly DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo, Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy Ramatoa vadiny, ny Jeneraly RAKOTOSON Jocelyn, Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety sy Ramatoa vadiny, ny Amiraly TSIRINIAINA Gabriel, lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina sy Ramatoa vadiny, ireo Tale Jeneraly sy Tale eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ny ratsamangaikany ombam-bady avy, ary ny fikambanan’ny vady miaramila FIVAMI tany an-toerana.

Izany diabe izany dia niainga teo anoloan’ny Holafy fahatelo misahana ny vonjy voina na « 3eme Unité de Protection Civile », nahazo ny tanàna Ampasikabo, Ankabo, Libanona, Bazaribe, ary nifarana tao amin’ny tobin’ny « Bataillon Infanterie Taolagnaro ». Narahina fanalana vokona na « étirement » izao hetsika izao, izay natao teo amin’ny kianja malalaky ny toby. Nofaranana tamin’ny lalao taranja « basket ball » ny diabe izay nihaonan’ireo samy vady miaramila.
Ny tanjona tamin’izao hetsika izao dia ny fikolokoloana ny ara-pahasalamana sy fitsimbinana ny ara-batana ho an’ireo mpandray anjara rehetra. Eo ihany koa ny fanamafisana ny tarigetran’ny FIVAMI mifototra amin’ny  » Fifankatiavana -Firaisankina- Fifanampiana », ary farany ho fanomezana ohatra tsara ho an’ny mpiara-belona sy ny fiaraha-monina, satria ny fikolokoloana ny vatana dia antoka hahazoana fahasalamana sy hitazomana ny fahavitrihina.
ARRONE KENNEDY.

Related Post

𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋

Posted by - mai 27, 2025 0
𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋 | 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐒𝐎𝐊𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐎…