AMBALAMAHASOA – LALANGINA | TSY MBOLA NISY SEKOLY NAORIN’NY FANJAKANA TAO AMIN’NY KAOMININA

245 0
Nandritra ny lanonana fitokanana SEKOLY tsy fanamarihana n’y faha 30 taona niseharana amin’ny politika n’y Solombavambahoaka, dia nanambara ny Ben’ny Tanàna ao amin’ny Commune Ambalamahasoa ,Distrikan’i Lalangina ,Faritra Mahatsiatra Ambony, fa mbola tsy nisy sekoly naorin’ny Fanjakana tao amin’ity kaominina ity hatramin’izao. Nohamafisin’ny Solombavambahoakan’i Lalangina izany, ary nankasitrahany ireo mpiara-miombon’antoka nandray anjara tamin’ny fananganana fotodrafitrasa fanabeazana tao an-toerana.
Tao anatin’ny lahateniny , ny Filohan’ny Antenimierampirenena dia nanamafy fa anisan’ny fototry ny fampandrosoana ny fanabeazana. Ho fanohanana izany dia nanolotra fanampiana ara-bola ho an’ny fananganana sekoly ao Ambalamahasoa izy, ary nanome valisoa ho an’ireo mpianatra nahazo vokatra mendrika.
Nifanojo tamin’ny fanamarihana ny faha-30 taona nandraisan’i Jean Bosco Rivotiana anjara teo amin’ny sehatra politika sy ny fanompoam-bahoaka ny hetsika, izay natrehin’ireo manampahefana sy olom-boafidy maro.

Related Post

𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 1, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀- 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐍𝐓𝐎𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍`𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐎𝐉𝐀𝐊𝐎𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍-𝐓𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐀𝐑𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝗡𝗬 𝗦𝗘𝗞𝗢𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗠𝗣𝗜𝗡𝗚𝗢   Tsy nataon`ny mpitantana ny…