FARITRA MENABE TAO MIANDRIVAZO NO NANOKAFANA NY FAMBOLEN-KAZO

862 0

Tao amin’ny fokotany Betalatala kaominina ambanivohitry Andranomainty distrikan’ny Miandrivazo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ho an’ny faritra ka velara_tany 25Ha no novolena zana-kazo 28.000 isa, nitarika ny hetsika moa ny talem-paritry ny tontolo iainana ny faritra Menabe notronon’ny Governoran’ny faritra Menabe sy ny solombavambahoakan’ny Miandrivazo ary ireo hery velona rehetra tao Miandrivazo izay notarihin’ny lehiben’ny distrikan’ny Miandrivazo.

Nilaza moa ramatoa solombavambahoaka fa isan’ireo distrika manatanteraka ny veloranon’ny filohan’ny repoblika ny distrikan’ny Miandrivazo amin’ny fambolen-kazo satria dia entanina ny isaky ny kaominina hamboly hazo ary tsy mamboly ihany fa manaramaso ireo hazo novolena ihany koa, izay hita soritra izany raha ireo azo novolena rehetra tanatin’ny roa taona, nanambara kosa ny Governoran’ny faritra Menabe fa isan’ireo faritra efa mizaka ny fahasimban’ny tontolo iainana ny faritra Menabe ka manentana ny rehetra mba hiara hisaly amin’ny fambolen-kazo ny tenany .

Vina sy adidin’ny minisiteran’ny tontolo iainana hoy ny talem-paritry ny tontolo iainana ato Menabe ny fanatratrarana ny Madagasikara rakotra ala ka misokatra zao ny taom_pambolen_kazo ny fitaleovam-paritry ny tontolo iainana dia manentana ny rehetra amin’ny fambolen-kazo izay vahaolana trotra hialana amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana, izany indrindra no hanomezan’ny talem-paritry ny tontolo iainana zana-kazo maimaim_poana ho an’izay vonona hamboly mba hikajiana ny tranobe iombonana.

Nisaotra ny fitondrana ato Menabe nohon’ny nisafidianana ny kaominina ambanivohitry Andranomainty nanokafana izao fambolen-kazo izao ny ben’ny tanana nandritrin’ny fandraisany fitenena ary nanome toky fa hanaramaso sy hikolikoly ny hazo voavoly mba tsy hisy maty, raha tao amin’ny kaominina ambanivohitry Andranomainty no nanokafana ny fotoam_pambolen_kazo ho an’ny distrikan’ny Miandrivazo tamin’ny taona lasa dia 2% n’ireo hazo novolena no maty hoy ny ben’ny tanana dia tsy ho latsak’izay koa ity natao androany ity

Nangonin’i Ra-Pa Menabe

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 : 𝐌𝐈𝐑𝐎𝐒𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐙𝐀𝐕𝐀 𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐈𝐅𝐎𝐓𝐒𝐘

Posted by - février 25, 2026 0
Antanifotsy, 24 Febroary 2026 – Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fampandrosoana eny ifotony ny dinika notarihin-dRamatoa Ravaonirina Nathalie Sebastienne, Lehiben’ny Faritra…