FIDOROHANA SY FIVAROTANA RÔRÔ TAO MAHAJANGA OLONA IRAY VOASMBOTRA TAO AMBALAVOLA, OLONA TELO HAFA TAO TSARARANO

460 0
Nanomboka ny 11 Marsa 2024, olona miasa 4, lehilahy roa sy vehivavy roa no nosamborin’ ny polisim-pirenena tao Mahajanga, voasaringotra amina raharaha zava-mahadomelina mahery vaika, rôrô.
Loharanom-baovao no azon’ny polisim-pirenena no niaingan’ny fanadihadiana nahazoana izao vokatra izao. Tamin’ izany no nahalalana fa misy olona mitazona, mivarotra, midoroka zava-mahadomelina mahery vaika rôrô tao amin’ny fokontany Ambalavola.
Voasambotra tamin’izany ny lehilahy 28 taona , izay nahatrarana
Héroïne 9 fonosana dosage anatin’ny indray andro, 3 maraina, telo atoandro ary telo ny hariva.
Nanohy ny asany ny polisim-pirenena ka fantatra fa tany Tsararano Ambany no fanjifana ireto rongony mahery vaika ireto jifaina amina lehilahy iray amin’ny sarany 10 000 Ariary isaky ny fonosana.
Tsy mbola hita io lehilahy io fa ny vadiny mpiara manao aminy io asa io no voasambotra.
Mbola mpisera maka tombony mpanelanelana ihany anefa izy mivady fa rehefa niroso tamin’ny fanadihadiana sy fikarohana lalina dia fantatra ny olona fakany entana ary olona 2 novoasambotra. Mbola nahatrarana fonosana rôrô natao tao anaty boatim-panafody.
AMPISAFIN’I BOENY

Related Post

𝐌𝐢𝐥𝐚 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐑𝐚𝐲 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐞𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐄𝐏𝐏 𝐌𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐕𝐢𝐥𝐥𝐞

Posted by - janvier 24, 2024 0
𝔸𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕙𝕠 𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝔽𝕒𝕟𝕒𝕓𝕖𝕒𝕫𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 𝕒𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕒𝕟𝕚𝕠.   Raisinay ho adidy manokana ny fanaovana izao tatitra izao amin’ny Fitondram-panjakana. Raha…