JIRAMA AMBOSITRA | Mihamafy ny resaka delestazy hoan’Ambositra renivohitra

508 0
Ora vitsy sisa no andehan’ny jiro anatin’iray andro nanomboka ny 3 jolay raha nisy faritra tena tsy nahitana jiro tao anatin’ny 24 ora
Vokatr’izany dia nisy ireo andian’olona nitokona, nilanja sora-bavety nitaky ny fiverenan’ny jiro anio sabotsy
Araka ny fantatra teo anivon’ny Jirama dia olana teknika vokatry ny fahasimban’ny groupe no nahatonga ny fahatapahana lavareny eo ihany koa ny fahataran’ny fahatongavan’ny solika
Nilaza ny teo anivon’ny Governora fa hisy izay solika tonga izay anio 6 jolay amin’ny 5 ora hariva!
Manao ahoana kosa ny olana ara-teknika??
HITA NY VAHAOLANA 
Taorian’ ny fifampiresahana tamin’ny DG JIRAMA tamin’ny alalan’ny antso an- téléphone dia toy izao ny vahaolana
– Efa ho Tonga ny carburant voalohany androany tolakandro handefasana ny groupe iray mbola velona ao
– Handeh alohan’ny maizin’andro androany ny groupe iray faharoa izay amboarina eto an- toerana
– Tokony ho Tonga amin’y Talata ny groupe faha 3 izay namboarina any Antananarivo
– Amin’ny faran’ny herinandro Dia tokony handeha daholo ny groupe 4 ary tsy tokony hisy délestage intsony
Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀

Posted by - octobre 31, 2024 0
𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐏𝐄𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 (𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏`𝒏𝒚 𝑪𝑺𝑨𝑶 𝑩𝒆𝒓𝒐𝒓𝒐𝒉𝒂 𝒏𝒊𝒕𝒊𝒇𝒊-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒆𝒐) ✦Nahoraka tato…