๐Š๐š๐จ๐ฆ๐ข๐ง๐ข๐ง๐š ๐๐ž๐ญ๐ฌ๐จ๐ก๐š๐ง๐š ๐ง๐š๐ง๐ค๐š๐ฅ๐š๐ณ๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ก๐š-๐Ÿ”๐Ÿ” ๐ญ๐š๐จ๐ง๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ก๐š๐ฅ๐ž๐จ๐ฏ๐š๐ง๐ญ๐ž๐ง๐š ๐ญ๐š๐จ ๐š๐ง๐š๐ญ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ซ๐š๐ข๐ฌ๐š๐ง๐ค๐ข๐ง๐š ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ฅ๐š๐ฆ๐ข๐ง๐š๐ง๐š

141 0
Nankalaza taminโ€™ny fomba manetriketrika ny Fetim-pirenena sy ny faha-66 taonanโ€™ny niverenanโ€™ny Fahaleovantenanโ€™i Madagasikara ny mponina tao aminโ€™ny Kaominina Betsohana, Distrikanโ€™i Mandoto, Faritra Vakinankaratra. Hetsika maro samihafa no nanamarihana izany, tao anatinโ€™ny hafaliana, firaisankina ary filaminana.
Rindran-kira, lalao isan-karazany, filaharana nandraisanโ€™ireo hery velona ao an-toerana anjara, ary fotoam-pivavahana firaisam-pinoana no anisanโ€™ireo hetsika lehibe nandravaka ny fankalazana tao Betsohana. Naneho firaisankina ny mponina sy ireo tomponโ€™andraikitra isan-tsokajiny, ka nahatonga ny lanonana hizotra tamim-pilaminana.
Nankasitraka manokana ny fandraisanโ€™anjaranโ€™ny vahoaka ny Benโ€™ny Tanร nanโ€™i Betsohana, Andriamatoa ANDRIANARISOA Heriniaina James. Nambarany fa ny fahamendrehana nasehonโ€™ny mponina nandritra ny fankalazana dia porofonโ€™ny fitiavan-tanindrazana sy ny firaisankina ao aminโ€™ny kaominina. Nisaotra ireo mpiara-miasa, ireo hery velona ary ny vahoaka rehetra izy noho ny fiaraha-mientana nahafahana nanatanteraka ny lanonana tao anatinโ€™ny filaminana.
Araka ny nambaranโ€™ny Benโ€™ny Tanร na, โ€œny hafanam-po sy ny firaisankina no antoka lehibe indrindra aminโ€™ny fampandrosoana ny tanร naโ€. Nampitondrainy hafatra ihany koa ny mponina mba hitohizanโ€™izany fihavanana sy fifanajana izany, satria fototra iorenanโ€™ny fampandrosoana maharitra ho anโ€™i Betsohana.
Tsiahivina fa anisanโ€™ireo kaominina manana vokatra ara-pambolena i Betsohana. Na izany aza, mbola voalaza ho iray aminโ€™ireo sakana lehibe aminโ€™ny fampandrosoana ny fahasarotanโ€™ny lalana mihazo ny tanร na, indrindra ho anโ€™ireo tantsaha mitondra ny vokatra. Noho izany, misy ny antso avo atao aminโ€™ireo tomponโ€™andraikitra mahefa mba hijery akaiky ity olanโ€™ny fotodrafitrasa ity, hahafahana manamora ny fivezivezena sy manohana bebe kokoa ny fampandrosoana eny ifotony.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

VONJEO MAROANAKOMBY FA ATAON’NY DAHALO TAMPIM-BARAVARANA IREO MPIFINDRA MONINA

Posted by - janvier 14, 2024 0
๐•๐Ž๐๐‰๐„๐Ž ๐Œ๐€๐‘๐Ž๐€๐๐€๐Š๐Ž๐Œ๐๐˜ ๐…๐€ ๐€๐“๐€๐Ž๐’๐๐˜ ๐ƒ๐€๐‡๐€๐‹๐Ž ๐“๐€๐Œ๐๐ˆ๐Œ-๐๐€๐‘๐€๐•๐€๐‘๐€๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐…๐ˆ๐๐ƒ๐‘๐€ ๐Œ๐Ž๐๐ˆ๐๐€ —   Vonjeo MAROANAKOMBY, ( FKT Maroanakomby , Commune Rurale Mandrosonoro,…