DISTRIKA AMBATONDRAZAKA | Hetsika SOLIDARITE

212 0
✍️ Tontosa anio tao amin’ny EPP – Marianina, CR Ambohiboromanga, Cisco Ambatondrazaka ny  » HETSIKA FIRAISAN-KINA HO AN’NY ANKIZY HANALA FANADINANA ». Mpiadina CEPE miisa 104 no novatsiana sakafo (Vary sy Laoka ary Dessert) hanalana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dreny eto amin’ity Centre ity.
✅ Nosafidiana ity Foibem-panadinana ity nohon’ny fisian’ny Mpiadina tena avy lavitra araka ny tolo-kevitra avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena aty an-toerana ary ireo rehetra tonga dia mankasitraka izao Hetsika izao ary feno fankasitrahana izany.
💎 Nanotrona sy nanome voninahitra izany ny DAGR Alaotra Mangoro, DRPS Alaotra Mangoro, DREN Mpisolo toerana, ireo Talem-paritra samihafa, ny Solontenan’ny Kaominina, ny Talen-tsekoly ary ireo Ray aman-dreny. Izao no tontosa dia nohon’ny fiarahamiasa tamin’ny Orinasa Madagascar Green Product (MGP) ary ny Orinasa SMMEC. Hisaorana ihany koa ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo Fikambanam-behivavy tamin’ny fikarakarana rehetra.
🙏 Mirary soa sy fahombiazana ireo kilonga niatrika fanadinana androany isika.
◽ 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐨 𝐡𝐚𝐭𝐚𝐦𝐛𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐲, 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐳𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐤𝐢𝐳𝐲
Nangonin’i Lova Janà
Loharanombaovao :MPS Alaotra Mangoro

Related Post

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - juin 1, 2025 0
𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 Notanterahina tao amin’ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…