DISTRIKA AMBATONDRAZAKA | Hetsika SOLIDARITE

332 0
✍️ Tontosa anio tao amin’ny EPP – Marianina, CR Ambohiboromanga, Cisco Ambatondrazaka ny  » HETSIKA FIRAISAN-KINA HO AN’NY ANKIZY HANALA FANADINANA ». Mpiadina CEPE miisa 104 no novatsiana sakafo (Vary sy Laoka ary Dessert) hanalana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dreny eto amin’ity Centre ity.
✅ Nosafidiana ity Foibem-panadinana ity nohon’ny fisian’ny Mpiadina tena avy lavitra araka ny tolo-kevitra avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena aty an-toerana ary ireo rehetra tonga dia mankasitraka izao Hetsika izao ary feno fankasitrahana izany.
💎 Nanotrona sy nanome voninahitra izany ny DAGR Alaotra Mangoro, DRPS Alaotra Mangoro, DREN Mpisolo toerana, ireo Talem-paritra samihafa, ny Solontenan’ny Kaominina, ny Talen-tsekoly ary ireo Ray aman-dreny. Izao no tontosa dia nohon’ny fiarahamiasa tamin’ny Orinasa Madagascar Green Product (MGP) ary ny Orinasa SMMEC. Hisaorana ihany koa ny fifanomezan-tanana avy amin’ireo Fikambanam-behivavy tamin’ny fikarakarana rehetra.
🙏 Mirary soa sy fahombiazana ireo kilonga niatrika fanadinana androany isika.
◽ 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐨 𝐡𝐚𝐭𝐚𝐦𝐛𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐲, 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐳𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐤𝐢𝐳𝐲
Nangonin’i Lova Janà
Loharanombaovao :MPS Alaotra Mangoro

Related Post

𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀

Posted by - mars 1, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐍`𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀- 𝐍𝐈𝐅𝐀𝐍𝐓𝐎𝐊𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍`𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐎𝐉𝐀𝐊𝐎𝐉𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍-𝐓𝐒𝐄𝐊𝐎𝐋𝐘 𝐀𝐑𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐊𝐈𝐙𝐘 𝗡𝗬 𝗦𝗘𝗞𝗢𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗠𝗣𝗜𝗡𝗚𝗢   Tsy nataon`ny mpitantana ny…

𝐈𝐒𝐓𝐇–𝐄𝐗𝐂𝐄𝐋𝐋𝐄𝐍𝐂𝐄 : 𝐃𝐈𝐀 𝐅𝐈𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐎𝐑𝐈𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐕𝐀-𝐌𝐈𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀

Posted by - mars 31, 2026 0
Antananarivo / Morondava — Nanatanteraka dia fibeazana ( 𝙑𝙤𝙮𝙖𝙜𝙚 𝙙’𝙚́𝙩𝙪𝙙𝙚) tany Morondava ny Sekoly Ambony tsy miankina 𝗜𝗦𝗧𝗛–𝗘𝘅𝗰𝗲𝗹𝗹𝗲𝗻𝗰𝗲, ka mpianatra…