Marary ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa hoy ny minisitra Lalatina Rakotondrazafy

347 0

Nohon’ny fiarahamiasa eo amin’ny fikambanana IO’RENALA sy ny ministeran’ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa dia tonga nitsidika ny faritra Menabe ny minisitrin’ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa nanome voninahitra ny lanonana fanomezana ny marim_pakasitrahana ireo tanora navita fiofanana mikasika ny mekanika momban’ny Bajaj izay no karakarain’ny fikambanana IO’RENALA ka tanora 40 no nisitraka izany ary misy ireo hiditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany ao koa ireo mbola hanoy ny fianarany. Tao anatin’ny 5 andro moa no niofanan’ireo tanora ireo ary androany voalohany volana Martsa no notolorana ny taratasy fanamarinana ny favitany ny fiofanana izy ireo izay lanonana notarihiny minisitrin’ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa ary notronon’ireo tomponandraikim-panjakana ato Menabe.


Isany ezaka ataon’ny IO’Renala ny fampivoarana ny tanora tsy eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena ihany fa eo koa ny lafiny sosialy ka izay no nanaovana izao fiofanana izao mba hafahan’ny tanora manana asa entina mihary ka vonona hatrany ny IO’Renala hanampy ny tanora amin’ny dingana makany amin’ny fahombiazana hoy ny Filohan’ny IO’Renala Mario Rosario.


Mankasitraka ireo mpiofana indrindra fa ireo vehivavy ramatoa Lalatina Rakotondrazafy minisitry ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa satria niezaka sy hiasa ireo tanora ary indrindra ny zoto_po hananan’ ireo tanora hiofana vonona hamorona asa.


Faritra maro eto Madagasikara no efa mampiasa Bajaj ka azo heverina hoy ramatoa minisitra ny hanitarana ny fiofanana, nanome Hafatra ireo tanora moa izy ny mba tonga dia hiditra eo amin’ny sehatry ny asa fa tsy hiandry fitaovana raitra vao hiasa ary nanentana koa izy ny hanitarana ny fahaizana satria ny fiainana dia fianarana hatrany, nitondra fisaorana ny fikambanana IO’RENALA sy ny mpampiofana ramatoa minisitra ary mangataka ny fiarahamiasa hatrany ny ministera hoy izy, nilaza koa izy fa mijery ny azo hanampiana ireo tanora vao navita fiofanana ireto mba afaka miditra eo amin’ny sehatry ny asa.


Omaly 29 febroary moa Ramatoa minisitra Lalatina Rakotondrazafy no nigadona teto Morondava ka asa tagnamaro avy hatrany no notanterahina tao amin’ny Lycée technique et professionnel Morondava izay niarahana ireo tomponandraikim-panjakana ato Menabe ary ny fikambanana IO’RENALA, nandritrin’izany no nitokanana ny efitrano roa izay natolotry ny fikambanana IO’RENALA ho LTP Morondava.


Taorian’izay no nitafa tamin’ny mpanao gazety ramatoa minisitra ka nilazany fa marary ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa eto Madagasikara amin’ny lafiny foto_drafitr’asa sy tsy fampian’ny mpampianatra sy mpampiofana ka ezaka lehibe ataon’ny Minisitra miaraka ireo ekipany mba hijery ireo olona sy hametraka vahaolana maharitra mba hapirborobo ny fampianarana teknika sy fampihofanana arak’asa, isany nanotanian’ny mpanao gazety azy ny mikasika ny tranoben’ny serasera sy kolontsaina Morondava ka nilaza izy fa efa nafantatra ny ministera fa tsy afaka manohy ny asa ireo mpanao ny asa fa efa mandeha ny fanadihadiana ary efa tafiditra tanatin’ny fifamin_drampitatana hoy izy io ka ny minisitra nandimby toerana azy no manohy ny mikasika io tranoben’ny serasera sy kolontsaina Morondava io.

Nangonin’i Ra pa – Menabe

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…

𝐌𝐀𝐍𝐀𝐆𝐀𝐓𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟎𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐌𝐀𝐍𝐎𝐍𝐆𝐀

Posted by - février 16, 2025 0
𝙉𝒚 𝒗𝙤𝒍𝙖𝒏𝙖 𝙖𝒑𝙧𝒊𝙡𝒚 2022 𝙣𝒐 𝒏𝙤𝒕𝙤𝒌𝙖𝒏𝙖𝒏𝙖 𝙣𝒚 𝒅𝙤𝒓𝙩𝒐𝙞𝒓 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙤𝒏𝙞𝒗𝙚𝒓𝙨𝒊𝙩𝒆 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙛𝒂𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝙈𝒆𝙣𝒂𝙗𝒆 𝒊𝙯𝒂𝙮 𝙢𝒂𝙯𝒂𝙠𝒂 𝒎𝙥𝒊𝙖𝒏𝙖𝒕𝙧𝒂 300 𝒉𝙖𝒕𝙧𝒂𝙢𝒊𝙣’𝙞𝒛𝙖𝒐…