CISCO PORT-BERGE | EZAHINA HIVOAKA MIALOHAN’NY FETIM-PIRENENA NY VALIM-PANADINANA CEPE 2024.

496 0
Hiasa mafy fa mirindra sy milamina ao anaty herinandro ireo mpikirakara ny fanadinam-panjakaa CEPE 2024 ato amin’ny Fari-piadidiam-pampianarana Port-Bergé mba hahatafavoahana ny vokatra alohan’ny 26 Jona, hoy Chef CISCO Rahamaizara Régis. 21 ny foibem-panadinana izay ahitana efitranom-panadinana 146 ary 5.243 no mpiadina voasoratra anarana ato amin’ny Disitrikan’i Port-Bergé. 5 ka hatramin’ny 6% eo ny fiakaran’ny tahan’isan’io raha ampitaina tamin’ny taona lasa.
Tao amin’ny foibem-panadinana CEG Tsarasaotra Port-Bergé izay ahitana efitranom-panadinana 36 sy mpiadina voasoratra anarana 930 no nanokafana izao fanadinam-panjakana voalohany izao ho an’ny CISCO Port-Bergé. Ny Lehiben’ny Disitrika, Todivelo Cyrille no nanaokatra azy ara-panjakana sy tamin’ny fomba ofisialy. Nanome voninahitra izany ny Ben’ny tanàna andrenivohitta sy ireo Lehiben’ny mpitandro ny filaminana eto an-toerana.
Ankoatra ireo iraka manokana nalefan’ny Talem-paritra avy any Antsohihy dia tonga hanara-maso ny fizotran’ny fanadinana izao koa ny Talen’ny ONEP (Office National de l’Enseignement Privé) izay sady Tale Mpiahy ny Faritra Sofia eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenana, Jean Emile.
Hatramin’ny hariva nifaran’ny adina teo dia tsy nisy olana govana ny tato anaty Disitrikan’i Port-Bergé. Marihina fa 09 taona no zandry raha 20 no zokiny indrindra amin’ireo mpiadina voasoratra anarana ato amin’ny CISCO Port-Bergé.

Related Post

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - juin 1, 2025 0
𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 Notanterahina tao amin’ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…