Voin-kava Mahatratra

432 0
Nitrangany hain-trano mahatsiravina tao amin’ny Fokontany Ambatamandey, kaominina Tanambao Daoud, Distrikan’i Sambava omaly Ka tsy niandry ela ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nitondra fanampiana sy mankahery azy ireo.
Manodidina ny trano 75 tafo no kila firehitra ary maherin’ny 160 ny fianakaviana tsy manan-kialofana.Tombanana hatrany amin’ny 30 000 000 Ar ny tetibidin’ny zavatra may nandritran’izany.
✅Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo fianakaviana tra-boina ireo
▪️𝐕𝐚𝐫𝐲 38 𝐆𝐨𝐧𝐲,
▪️𝐕𝐨𝐚 𝐦𝐚𝐢𝐧𝐚 02 𝐆𝐨𝐧𝐲,
▪️𝐒𝐢𝐫𝐚𝐦𝐚𝐦𝐲 02 𝐆𝐨𝐧𝐲,
▪️𝐋𝐚𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐨𝐝𝐲 𝐦𝐨𝐤𝐚 100 𝐢𝐬𝐚,
▪️𝐁𝐨𝐝𝐨𝐟𝐨𝐭𝐬𝐲, 𝐤𝐨𝐯𝐞𝐭𝐚, 𝐬𝐞𝐡𝐨 𝐚𝐫𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐟𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐚𝐤𝐨𝐳𝐢𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐟𝐚 𝐢𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐚 …
Ankoatra ireo maro ihany koa ny fitaovam-pianarana may kila firehitra dia nanolotra fitaovana ho an’ireo kilonga madinika ny avy ao amin’ny Faripiadidiam-pampianarana eto Sambava.
Mankasitraka ny Tale misahana ny Fitantanandraharaha Ankapobeny, Andriamatoa RABENEFITRA Henri, nisolo-tena ny Governora, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Rano Fidiovana sy ny Fanadiovana ary ireo Solontenam-panjakana isan-tsokajiny.

Related Post

TANTERAKA NY NOFINOFIN4IREO kAOMININA 08 NANDRITRAN4NY 20 TAONA MAHERY

Posted by - août 12, 2025 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐈𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐕𝐀𝐙𝐎, 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐍𝐎𝐅𝐈𝐍𝐎𝐅𝐈𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐋𝐎(𝟎𝟖) 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐏𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟐𝟎 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐄𝐑𝐘 Vita ny BAC…