CISCO ANTSIRABE VOALOHANY | AKON’NY FANADINANA CEPE

302 0

O7 Taona ny zandriny indrindra ary 55 taona ny zokiny amin ‘ny mpiadina CEPE ho an’ny Farim-piadidiam-pampianarana Antsirabe I (CISCO Antsirabe I)

Notanterahina androany 18 jona 2O24 manerana an’i Madagasikara ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny taom-pianarana 2O23-2O24.

Nizotra soa aman-tsara izany rah any teto amin’ny CISCO Antsirabe I Faritra Vakinankaratra. Miisa 672O ny mpiadina  mitsinjara toy izao:Sokajy A manala ny fanadinana idirana kilasy faha 6 eny amin’ny sekolim-panjakana aotra(O) ny mpiadina. 5642 ny Sokajy B ahazoana ny diplaoma CEPE sy afaka kilasy faha 6(CEPE/6ème) ary ny sokajy C ahitàna mpiadina 1O78.

Misy ny manana fahasembanana ka O5 sembana ara-batana, O6no marenina , 12 jamba. 18 KOSA NY Voafonja.

O7 ny taranja anadinana izay tsy maintsy ataon’ny mpiadina rehetra. Ny asa marika(Opération),lazaolana(Problème),Fahalalana tsotsotra(Connaissance Usuelle), ny Taranja Fanabeazana sy Fampivelarana ny Maha Olo Mendrika na TFFMOM, Jeografia sy Frantsay ary Malagasy.

Hentitra ny fiarovana Laza adina mialoha sy mandritra ary aorianan’ny fanadinana.

Nangonin’I HAJA.
Loharanom-baovao CISCO Antsirabe I

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…