CISCO ANTSIRABE VOALOHANY | AKON’NY FANADINANA CEPE

706 0

O7 Taona ny zandriny indrindra ary 55 taona ny zokiny amin ‘ny mpiadina CEPE ho an’ny Farim-piadidiam-pampianarana Antsirabe I (CISCO Antsirabe I)

Notanterahina androany 18 jona 2O24 manerana an’i Madagasikara ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny taom-pianarana 2O23-2O24.

Nizotra soa aman-tsara izany rah any teto amin’ny CISCO Antsirabe I Faritra Vakinankaratra. Miisa 672O ny mpiadina  mitsinjara toy izao:Sokajy A manala ny fanadinana idirana kilasy faha 6 eny amin’ny sekolim-panjakana aotra(O) ny mpiadina. 5642 ny Sokajy B ahazoana ny diplaoma CEPE sy afaka kilasy faha 6(CEPE/6ème) ary ny sokajy C ahitàna mpiadina 1O78.

Misy ny manana fahasembanana ka O5 sembana ara-batana, O6no marenina , 12 jamba. 18 KOSA NY Voafonja.

O7 ny taranja anadinana izay tsy maintsy ataon’ny mpiadina rehetra. Ny asa marika(Opération),lazaolana(Problème),Fahalalana tsotsotra(Connaissance Usuelle), ny Taranja Fanabeazana sy Fampivelarana ny Maha Olo Mendrika na TFFMOM, Jeografia sy Frantsay ary Malagasy.

Hentitra ny fiarovana Laza adina mialoha sy mandritra ary aorianan’ny fanadinana.

Nangonin’I HAJA.
Loharanom-baovao CISCO Antsirabe I

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮

Posted by - juillet 22, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮 (𝑺𝒂𝒎𝒚 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕 𝒍𝒊𝒃𝒓𝒆, 𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒆𝒓𝒗𝒊𝒄𝒆 𝒅`𝒆𝒙𝒂𝒎𝒆𝒏 𝒗𝒐𝒍𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒂𝒇𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕…