NOELIN’NY AKANIN’NY ZANDARIMARIA

284 0
Tsy mangasiasy fa faly sy ravo ireo ankizy zanaky ny Mahery Fon’ny Zandarimariam-pirenena ao amin’ny Akanin’ny Zandarimaria Arivonimamo, androany, nankalaza ny noely. Tsy diso anjara amin’izany fankalazana izany izy 61 mianadahy taizana sy beazina ao amin’ny akany.
Tsy navelan’ireo tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny Zandarimaria, tarihan’Atoa jeneraly Andry RAKOTONDRAZAKA, Minisitra Delege misahana ny Zandarimaria sy ramatoa vadiny, Atoa jeneraly RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert, komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ramatoa vadiny, miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy, hangahiahy ireto ankizy amin’izao noely izao.
Kilalao, seho miavaka samihafa no nentina nanamarihana ny noelin’ny akany tamin’ity taona 2024 ity. Tonga nifanotrona tamin’ireto zanaky ny mahery fon’ny Zandarimaria ireto, nandritra ny fankalazana androany, ny solotenan’ireo ankizy taizana ao amin’ny akanin’ny Tafika malagasy sy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena.
Ny Zandarimariam-pirenena moa dia mametraka ho ambony ary ho lohalaharana foana ireto ankizy ireto.

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…