π•π’ππ’π§πš πŸ“πŸŽπŸŽ π€π«π’πšπ«π² 𝐌𝐨𝐧𝐣𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐚π₯𝐚𝐜𝐑𝐒𝐭𝐞 » : 𝐌𝐒𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐒𝐭𝐫𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐀𝐚

10 0
Miantso ny tompon’andraikitra any amin’ireo Distrikan’i Ambositra, Manandriana ary Ambatofinandrahana ireo mpitrandraka sy mponina voakasika mba hijery akaiky ny olana sedrain’izy ireo amin’ny fivarotana vato malachite.
Araka ny fitarainan’izy ireo, misy teratany sinoa mividy ny vato amin’ny vidiny 500 ariary isaky ny kilao monja, sady voalaza fa manakana ireo mpividy hafa izay vonona hividy amin’ny vidiny ambony kokoa. Vokatr’izany dia milaza izy ireo fa iharan’ny tsy rariny sy fatiantoka.
Manentana ny mpitondra any an-toerana ireo mponina mba handray andraikitra haingana amin’ny fanaraha-maso ny zava-misy sy hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka. Nambaran’izy ireo ihany koa fa maniry ny hahita ny mpitondra eny ifotony amin’ny famahana ny olana mahazo azy ireo, fa tsy amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ihany.
π‘€π‘Žπ‘–π‘™π‘Žπ‘˜π‘Ž π‘›π‘Žπ‘™π‘’π‘“π‘Žπ‘›’π‘–π‘Ÿπ‘’π‘œ π‘£π‘Žβ„Žπ‘œπ‘Žπ‘˜π‘Ž π‘Žπ‘›π‘¦ π‘Žπ‘›-π‘‘π‘œπ‘’π‘Ÿπ‘Žπ‘›π‘Ž
π‘†π‘Žπ‘Ÿπ‘¦ π‘›π‘œπ‘šπ‘’π‘›’π‘–π‘Ÿπ‘’π‘œ π‘£π‘Žβ„Žπ‘œπ‘Žπ‘˜π‘Ž π‘Žπ‘›π‘¦ π‘Žπ‘›-π‘‘π‘œπ‘’π‘Ÿπ‘Žπ‘›π‘Ž

Related Post