🔴 Samy hafa ny valin’ny fanadihadiana hita amin’ireo faritra arovana eto Madagasikara araka ny ampahany amin’ny vokam-pikarohana tamin’ny alalan’ny sary azo avy amin’ny « satellite » sy fanadihadiana ifotony nataon’ny tetikasa BETSAKA tamin’ireo faritra arovana eto Madagasikara .
🔴 Misy amin’izy ireo no mandeha araka ny tokony ho izy ary tena misy fiantraikany amin’ny mponina manodidina ny fisian’ilay faritra arovana.Misy ihany koa ireo tena miaro ny ala sy mampihena ny afo ao anatin’ny faritra arovana saingy lasa mitombo indray ny fanapahana ala sy ny afo any ivelany.
🔴 Raha tsiahivina, tetikasam-pikarohana iray mandinika ny fiantraikan’ny faritra arovana eto Madagasikara nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2024 ny tetikasa BETSAKA. Tantanan’ny IRD, Oniversiten’Antananarivo ary CERED. Vatsian’ny KfW, AFD, ANR ary IRD vola.
🔴 Tanjon’ny tetikasa ny hijerena ny fiantraikan’ny faritra arovana amin’ny fiarovana ny natiora sady mandinika ny fiantraikany amin’ny mponina manodidina sy ny fomba fitantanana azy ary ny fivoaran’ny afo.
🔴 Ho fanehoana sy hifanakalozana momba ny vokatry ny fikarohana mikasika ny faritra arovana eto Madagasikara izay indrindra moa nisy ny hetsika notontosaina teny Ankatso omaly 23 JONA 2026.
🔴 Navoitra nandritra izany ny maha-zava-dehibe ny fampiasana sy fanaparitahana angon-drakitra misokatra na ny « Open Data », ary ny famoronana tahirin-kevitra ara-tantara hanamora ny fikarohana sy ny fitantanana ny harena voajanahary.
🔴 Nodinihin’ireo mpikaroka sy mpandray anjara ihany koa ny fahombiazan’ny faritra arovana amin’ny ady amin’ny fandripahana ala sy ny doro tanety ary ny anjara birikin’ireo faritra arovana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zavamananaina.
✏Me






