Toeram-pambolena zanakazo 1 hektara no nanokafana ny taom-bolen-kazo 2024 ato amin’ny Disitrikan’i Boriziny omaly zoma 26 janoary. Miisa 1 500 ireo zanakazo novolena tao Anjiamanera kaominina Port-Bergé II.
Nandray anjara tamin’izany avokoa ny sampan-draharaha sy irro tompon’andraikitra isany notarihan’ny Lehiben’ny Disitrika Todivelo Cyrille. Aorian’izao dia samy hanao hetsika avokoa ny sampan-draharaha, ny fikambanana,.. sns
Nanome toky ny Ben’ny tanàna Port-Bergé Il fa hiantoka ny fikarakarana an’ireo hazo novolena ireo mba tsy fandaniam-potoana iny omaly iny. Ny teo anivon’ny fitantanana ny ala rahateo nanambara fa velona soa aman-tsara ny 90%n’ny zanakazo novolena tamin’ny taona 2023.
TSININGIA PORT-BERGE | NOHAMAFISINA NY TRAIKEFAN’IREO ZANDARIN’ALA. NIKARAKARA NAHATONTOSA AN’IZANY NY LEHIBEN’NY BORIBORINTANY. Ho fifehezana ny fandriampahalemana ao amin’ny Kaominina…
Tonga nitsidika ireo mpianatra zanak’i Vatovavy mianatra ao amin’ny Oniversite Barikadimy, eto Toamasina, ny Solombavambahoaka voafidy tao Ifanadiana, Atoa Haja…