π…πšπ«π’π­π«πš π•πšπ€π’π§πšπ§π€πšπ«πšπ­π«πš. πƒπ’π¬π­π«π’π€πš π€π§π­π¬π’π«πšπ›πž 𝐈. π…πšπ¦π›π¨π₯𝐞𝐧- 𝐀𝐚𝐳𝐨. Β Β» π“πšπ§π£π¨π§πš 𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐑𝐚𝐫𝐚𝐀𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚π₯𝐚 𝐚𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐒𝐀𝐚𝐫𝐚 ».

134 0
π…πšπ«π’π­π«πš π•πšπ€π’π§πšπ§π€πšπ«πšπ­π«πš. πƒπ’π¬π­π«π’π€πš π€π§π­π¬π’π«πšπ›πž 𝐈.
π…πšπ¦π›π¨π₯𝐞𝐧- 𝐀𝐚𝐳𝐨. Β Β» π“πšπ§π£π¨π§πš 𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐑𝐚𝐫𝐚𝐀𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚π₯𝐚 𝐚𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐒𝐀𝐚𝐫𝐚 ».
Ambohipihaonan’ny mpikambana ao amin’ny antoko politika TGV(Tanora MalaGasy Vonona) androany 01 Marsa. Nanatanterahany fambolen- kazo, taom- pambolena 2025 teny amin’ny « Parc de l’EstΒ Β» eto Antsirabe Ambonivohitra. Zanakazo kesika, kininina oliva, filao ary akasiΓ .

Nanosika azy ireo ny fahatsapΓ na fa adidy amin’ny firenena ny mamboly hazo ho fanamaintsoana an’i Madagasikara amin’ny fampitomboana ny ala raha ny nambaran’ny filoha mpitarika TGV Distrika Antsirabe I ary nisafidy ny Β Β» Parc de l’ EstΒ Β» zareo noho ny maha fitsangatsanganana ny toerana eny.

Ankoatr’izay nankasitraka ireto mpikambana izy tamin’ny voka- pifidianana Distrika Antsirabe I in-3 nisesy natao teto amin’ny Firenena. Nisy ny nofon- kena mitam- pihavanana.
Irariana ny fanaraha- maso sy fikolokoloana ny zana- kazo voavoly ka ho tratra ny tanjonaΒ Β» Madagasikara rakotra alaΒ Β».
Nangonin’i HAJA.

Fambolen-kazon’ny mpandraharahan’ny fonja Vakinankaratra.

Zanakazo 750 fototra misy karazany 6 no novolen’ny mpandraharahan’ny fonja Vakinankaratra tany amin’ny tobim-pamokarana ao amin’ny fokontany Mahandraza kaominina ambanivohitra Andranomanelatra ny zoma teo.Nisy koa ny fiavana ny zanakazo novolena tamin’ny taon-dasa ary ny fanosohana ireo zanakazo maty.Nosafidiana ity toerana ity satria atao filamatra ny tobim-pamokaran’ny fonja eto Mahandraza izay mamatsy ny vokatra amin’ny fari-piadidiana Vakinankaratra ary indrindra ny fonjaben’Antsirabe.

RANDRIA Antsirabe

Fambolen-kazon’ny mpikatroka antoko TGV Antsirabe I.

Tany amin’ny Parc de l’Est no natantanterahan’ny mpikatroka amin’ny antoko TGV Antsirabe I ny fambolen-kazony androany.Nosafidiana ity toerana ity hamerenana ny lazany izay naahafantarana ny tanΓ nan’Antsirabe sady ho fandraisana anjaran’ny antoko amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.Natao tamin’ity fotoana ity ihany koa ny fankasitrahana ny mpikatroka rehetra tamin’ny fandresen’ny antoko TGV Antsirabe I nandritra ny fifidianana nifanesy.Nomarihina tamin’ny nofo-kena mita-pihavanana izany.

RANDRIA Antsirabe.

Related Post

Faritra Amoron’i Mania | nokoloina ireo zanaka hazo voavoly

Posted by - mai 11, 2025 0
π…πˆπ“π€π‹π„π€π•π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π“πŽππ“πŽπ‹πŽ πˆπ€πˆππ€ππ€ π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€ππ€ π‹πŽπ•π€πˆπ-π‰π€π…π˜ π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€ 𝑡𝑨𝑻𝑢𝑴𝑩𝑢𝑲𝑨 𝑻𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑢𝑴𝑩𝑨 𝑢𝑭𝑰𝑺𝑰𝑨𝑳𝒀 𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑲𝑢𝑳𝑢𝑲𝑢𝑳𝑢𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑯𝑨𝒁𝑢 𝑽𝑢𝑨𝑽𝑢𝑳𝒀 ᴒᴏᴍᴀ…

MENABE CONNEXION

Posted by - novembre 18, 2024 0
Nahazo fiaraha miasa amin’ny masoivohon’ny Frantsay eto Madagasika ka tetik’asa eo anivon’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ary koa ny lafiny…