FAMETRAHANA SAMBOADY- BEN’NY TANÀNA KOMININA MANDROMONDROMOTRA

396 0
FORT-DAUPHIN.
*FAMETRAHANA SAMBOADY-BEN’NY TANÀNA KOMININA MANDROMONDROMOTRA/AMPASY NAHAMPOANA-28 FEBROARY/01 MARTSA 2025.
Ny lehiben’ny Fileovan’i Tolagnaro Préfet MANDEHATSARA Georget no nitarika ny lanonana fametrahana ny samboady ho an’A/toa MOSA Mauril ben’ny tanàna Kominina Mandromondromotra (28/02/25)
sy R/toa ANDRIAMAHASORA Rondromalala S.(01/03/25) izay samy Kandida natolotry ny antoko IRMAR.
Nanome voninahitra ny lanonana :
– Ireo solombavam-bahoaka Nourdine CHABANI sy Aïda RATSIMANDRIONA,
– Ny Governoran’ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA,
– Ary ireo olo-manankaja sivily sy miaramila ary ireo mpiaramiombon’antoka.
Nisaotra ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA Ramatoa Governora nandritra ny lahateny nataony ary nanamafy ny fahavononany amin’ny ho fandresen-dahatra ireo mpiaramiombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina hisehatra amin’ny asa fampandrosoana manerana ireo Kominina 69 ato anatin’ny Faritra.
Nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenenan’ireto tompon’andraikitra ireto ny fiaraha-mientana sy firaisankina ho fampandrosoana ity Faritra ity.
 » Tsy misy Kominina hadino »
Tsy misy Distrika atao ankilabao »
« Faritra Anôsy tsy maintsy mandroso »
Madagasikara tsy maintsy mandroso ».

Related Post

Mpikatroka TGV Ambohimalaza | fifampiarahabana noho ny taona vaovao

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐌𝐩𝐢𝐤𝐚𝐭𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐓𝐆𝐕 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚 | 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐡𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 — Tontosa androany ny fihaonana sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao…