Ankoatra asa fiarovana ny vahoaka amin`ny adavanandro dia manao ezaka koa ny Polisim-pirenena miaro ny tontolo iainana. Niara-nientana ny fianakaviam-ben`ny Polisim-pirenena ahitana ireo Polisy sy ny FIVAPOVA eto Mandritsara ka nanatanteraka fambolenkazo tao Antsahabe. Zanakazo 150 (bonarasy akasia) fototra no voavoly tamin`ny velaran-tany 2 hektara, androany alarobia 19 febroary maraina.
Nitarika ny hetsika teto ny lehiben`ny Commissariat Mandritsara, RABENANDRASANA Bartheli. Nanotrona azy ireo tamin`izany ny lehiben`ny ala.
Tsy hijanona tamin`ny asa fambolena ny ezaka fa hanaramaso ireo hazo voavoly izy ireo.
Nangonin`i Claudio