Nijery ifotony ireo asa maika tsy maintsy atao (TRAVAUX dโURGENCES) hamonjena ny taom-pambolem-bary 2024-2025 ao aminโny PC 15 sy Vallรฉes Mariane izay ato aminโny DistrikanโAmbatondrazaka toa ireo digy maro vaky taminโny orambe 2023-2024 teo ka nahasimbana tanimbary maro andrivony hectares, ary niteraka fahasimbana teo aminโny lalana ihany koa ny Minisitry ny Fambolena Andriamatoa HAJARISONA Franรงois Sergio ny faranโny herinandro lasa teo ka niara dia taminy taminโizany ny Governoranโny Faritra Alaotra Mangoro Dr Guy RAMAROSANDRATANA ka fantatra fa ny tetikโasa RIZ PLUS no hanao ny asa ary vitainy anatinโny 3 volana.
Nihazo ny DistrikanโAmparafaravola ihany koa izy ireo nijery ny BARRAGE ANONY ao aminโny PC Anony izay ahitana tanimbary mirefy 14 000 hectares, koa fantatra fa misy ireo asa maika tsy maintsy atao toa ny fanalana ny fasika be loatra manentsina ny DESSABLEUR ao aminโny rive gauche ka nilaza Andriamatoa Ministra fa ny FID no hanampy aminโny asa.
Mijasika ny fahavakisanโio digue de ceinture izay vaky ny taona 2020-2021 ary niteraka tondra-drano tao Tanambe kosa dia nisy fifampiresahana nitarihanโAndriamatoa Ministra ka tapaka fa iarahanโny fiadidiana ny Faritra sy ny tetikโasa Riz Plus ny fanamboarana ka ny Faritra no hanome ireo Engins nomenโny Fitondram-panjakana tantaninโny Faritra ary ny Federationโ ny Tantsaha no hanao ny asa vonjy maika.
Taminโizao diany raty alaotra izao ihany noa no nanaovana ny FIZARANA KARATRY NY MPAMOKATRA ( Cartes des Producteurs) teto Ambatondrazaka sy tany Amparafaravola ka karatra miisa 1 300 karatra no nozaraina teto Ambatondrazaka raha karatra 1 500 kosa tany Amparafaravola
Nanambara moa ny Ministra fa mbola hisy ny andiany manaraka.
Tsara ny manamarika.
Niaradia taminโizao nandritra nandritra ny fitsidihana ny DistrikanโAmparafaravola moa ny solombavam-bahoaka RAKOTONDRAMANITRA Vahiny Felix
Tsy adinonโAndriamatoa minisitra sy ireo delegasiona niaraka taminy ihany koa ny nitsidika ireo fotodrafitrasa mamokatra zezika sy masomboly toy ny FOFIFA Ambohitsilaozana ato aminโny DistrikanโAmbatondrazaka sy ny Centre Multiplicateur de Semences (CMS) Anosiboribory ao aminโny DistrikanโAmparafavola ary ny Usine vao natsangana hamokatra ZEZIKA tantananโny orinasa FAMA ao Morarano-Chrome Distrakanโ Amparafaravola ary ny
Centre Semencier vaovao hoatsangana ao Anosiboribory aminโny velaran-tany 192 hectares.