π‡πšπ§ππ«πšπ’π¬πšπ§πš 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐞𝐧𝐭𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐒𝐑𝐨𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐞𝐟𝐲, 𝐑𝐨𝐲 𝐧𝐲 π‰πžπ§πžπ«πšπ₯𝐲 π‘πšπ€π¨π­π¨π¦πšπ₯𝐚π₯𝐚

99 0
Antananarivo β€” Nanao fanambarana manokana ireo manamboninahitra ambony mitana ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tarihin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Jean Herbert Rakotomalala, manoloana ny tranga fihoaram-pefy izay niseho tato ho ato teo anivon’ny zandary.
Araka ny nambaran’izy ireo, tsy ho ekena ny fihetsika manohintohina ny hasin’ny asan’ny Zandarimariam-pirenena, ary handray ny fepetra mifanandrify amin’ny fihoaram-pefy rehetra ny fibaikoana. Efa napetraka ihany koa, hoy ny Jeneraly, ny fanadihadiana anatiny, mba hanavahana ireo zandary voarohirohy sy hanenjehana ara-dalΓ na ireo izay nahavanon-doza.
β€œTsy misy kiantrano antrano na corporatisme eto amin’ny Zandarimariam-pirenena,” hoy ny fanambarana nataon’ny Jeneraly Rakotomalala. β€œIzay nanao ny tsy mety dia hisedra ny fepetra ara-pitsipika sy ara-pitsarana mifanaraka amin’ny helony.”
Amin’ny alalan’ity fanambarana ity dia tian’ny fibaikoana ny hampiseho fa mijoro ho andry fiarovana sy fahamarinana ny Zandarimariam-pirenena, ary tsy hanaiky velively ny fanodikodinana ny andraikitra sy ny fahefana napetraka amin’ny zandary.
Nangonin’ Ilay Mahitsy
πŸ“· : notsimponina teto amin’ny tambazotra

Related Post

𝗦𝗒𝗔𝗠𝗔𝗑𝗔𝗑𝗗π—₯𝗔π—₯π—œπ—‘π—¬ : α΄α΄˜α΄€Ι΄α΄‡Ι΄α΄…α΄€α΄‹α΄€,ᴍᴘΙͺᴠᴀʀᴏᴛʀᴀ ʀᴏɴɒᴏɴʏ ary α΄α΄˜α΄€α΄α΄€α΄‹Κ ᴛʀᴀɴᴏ

Posted by - novembre 14, 2023 0
𝗦𝗒𝗔𝗠𝗔𝗑𝗔𝗑𝗗π—₯𝗔π—₯π—œπ—‘π—¬ : α΄α΄˜α΄€Ι΄α΄‡Ι΄α΄…α΄€α΄‹α΄€,ᴍᴘΙͺᴠᴀʀᴏᴛʀᴀ ʀᴏɴɒᴏɴʏ ary α΄α΄˜α΄€α΄α΄€α΄‹Κ ᴛʀᴀɴᴏ   Lehilahy miisa 2 no voasambotra mahakasika ny raharaha fanendahana raha toa ka…

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
Β« π»π‘Žπ‘›π‘Žπ‘œ π‘–π‘§π‘Žπ‘¦ β„Žπ‘Žβ„Žπ‘Ž 𝐹𝐾𝑇 π‘€π‘π‘–π‘‘π‘Žπ‘Ÿπ‘–π‘‘π‘–π‘Ž ( 𝐹𝐾𝑇 π‘ƒπ‘–π‘™π‘œπ‘‘π‘’) 𝑛𝑦 πΉπ‘œπ‘˜π‘œπ‘›π‘‘π‘Žπ‘›π‘¦ π‘‘π‘Žπ‘›π‘‘π‘Žπ‘›π‘Žπ‘˜π‘œ π‘Žβ„Žπ‘œ, π‘ π‘Žπ‘‘π‘Ÿπ‘–π‘Ž π‘‘π‘’π‘‘π‘œ π‘›π‘œ π‘›π‘œ π‘›π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘™π‘Žπ‘‘π‘ π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘›β€™π‘›π‘¦ π‘‘π‘Žπ‘£π‘œπ‘›π‘–π‘˜π‘œ, π‘˜π‘Ž…