TOAMASINA | Rtoa Mélisse RAKOTONIRINA Fianakaviana, marary hoditra miisa 50 no nomena fanampiana

630 0
Amin’ny maha Renin’ny vahoakan’i Toamasina Renivohitr’i Betsimisaraka an’i Ramatoa RAKOTONIRINA Mélisse, dia tsy manadino velilvely ireo fianakaviana marary hoditra mipetraka eto anivon’ny Kaominina Ambonivovitr’i Toamasina ny tenany; indrindra rehefa ankatokin’ny fankalazana ny fety tahak’izao.
 
Fantra ary fa fianakaviana marary hoditra miisa 50 no nahazo fanampiana avy aminy, ka vary,menaka, savony, akoho ary kilalao ntao hampifaly ny kilonga no nozarainy tamin’izany.
 
Hafaliana no nandraisan’ireo mpahazo tombontsoa an’izany, ary nilaza ireto vahoaka ireto fa mahatsiaro manana reny tokoa izy ireo.
 
Tsara ny mahafantatra fa i Ramatoa RAKOTONIRINA Mélisse dia vady andefimandrin’andriamatoa Ben’ny Tanana.
Manaova fety sambatra !!
Nangon’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

« 𝐃𝐑𝐎𝐈𝐓 𝐃𝐄 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐍𝐒𝐄  » 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐍𝐀𝐓𝐎𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Posted by - février 28, 2025 0
Manoloana ny famoaham-baovao, nataon’ny Gazety an’habaka Feon’ny Demokrasia omaly,Alakamisy 27 Febroary 2025, (https://feonydemokrasia.mg/alerte-ambatomanjaka/) dia mitondra ity 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 ity ny 𝗦𝗲́𝗻𝗮𝘁…