MASOIVOHON’NY FIRENENA SINOA ETO MADAGASIKARA | NANOLOTRA FANAMPIANA TETSY AMIN’NY BNGRC

389 0
📌 Tontosa androany 10 Janoary 2023 tetsy amin’ny foibe misy ny BNGRC ny lanonana Ofisialy nanoloran’ny Masoivohon’ny Sina entim-bahoaka miasa sy monina eto Madagasikara hoan’ny governemanta malagasy amin’ny alalan’ny BNGRC, fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo tradoza vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ALVARO.
 
📌 Nohamafisin’ity Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina eto Madagasikara ity ny fifamatoran’ny firahalahiana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta tamin’ny alalan’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireto fanampiana ara-tsakafo ireto ho an’ny (BNGRC) eto Madagasikara.
 
📌 Fantatra fa vary milanja 23 taonina, tsaramaso fotsy 4 taonina, ary menaka fahandro 920 litatra no natolotra ho fanohanana ireo olona tradoza sy tratry ny rivodoza farany teo.
Fa ankoatr’izay, dia nisy ihany koa fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta tamin’izany fanomezana izany sy ho tohin’ny fiaraha-miasa ao afara.
 
📌 Tiana ny manamarika, fa ny Sina, nanap tan-tsoroka hatrany hoan’ni Madagasikara nandritr’ireny loza ara-boajanahy nandalo sy niseho teto amin’ny firenena ireny.
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA

Posted by - décembre 19, 2023 0
  Hetsika iray manan-danja no nokarakarain’ny mpianatra, session d’été, ao amin’ny oniversité tsy miankina ESTIIM’ taona voalohany L1 amin’ny taranja…

Cette opportunité est faite pour vous.

Posted by - juillet 8, 2026 0
𝐎𝐏𝐏𝐎𝐑𝐓𝐔𝐍𝐈𝐓𝐄́ 𝐏𝐑𝐎𝐅𝐄𝐒𝐒𝐈𝐎𝐍𝐍𝐄𝐋𝐋𝐄 𝐀̀ 𝐌𝐀𝐔𝐑𝐈𝐂𝐄 𝐀𝐑𝐈𝐌 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 𝐫𝐞𝐜𝐫𝐮𝐭𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐏𝐀̂𝐓𝐈𝐒𝐒𝐈𝐄𝐑𝐒 𝐭𝐚𝐥𝐞𝐧𝐭𝐮𝐞𝐮𝐱 𝐞𝐭 𝐩𝐚𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞́𝐬 —- Vous maîtrisez l’art de la pâtisserie et…

𝐓𝐀𝐍𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀 𝐌𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐇𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐃𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀

Posted by - novembre 8, 2023 0
𝑭𝒊𝒌𝒂𝒎𝒃𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒗𝒐𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝑲𝑻 45 𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒌𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 7 ( Tsarasaotra, Ankazoambo, Alakamisy Ambohijato, Ivony, Ivato, Ambositra I sy II) ᴛᴀɴᴊᴏɴᴀ:…