π‡πšπ§ππ«πšπ’π¬πšπ§πš 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐞𝐧𝐭𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐒𝐑𝐨𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐞𝐟𝐲, 𝐑𝐨𝐲 𝐧𝐲 π‰πžπ§πžπ«πšπ₯𝐲 π‘πšπ€π¨π­π¨π¦πšπ₯𝐚π₯𝐚

352 0
Antananarivo β€” Nanao fanambarana manokana ireo manamboninahitra ambony mitana ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tarihin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Jean Herbert Rakotomalala, manoloana ny tranga fihoaram-pefy izay niseho tato ho ato teo anivon’ny zandary.
Araka ny nambaran’izy ireo, tsy ho ekena ny fihetsika manohintohina ny hasin’ny asan’ny Zandarimariam-pirenena, ary handray ny fepetra mifanandrify amin’ny fihoaram-pefy rehetra ny fibaikoana. Efa napetraka ihany koa, hoy ny Jeneraly, ny fanadihadiana anatiny, mba hanavahana ireo zandary voarohirohy sy hanenjehana ara-dalΓ na ireo izay nahavanon-doza.
β€œTsy misy kiantrano antrano na corporatisme eto amin’ny Zandarimariam-pirenena,” hoy ny fanambarana nataon’ny Jeneraly Rakotomalala. β€œIzay nanao ny tsy mety dia hisedra ny fepetra ara-pitsipika sy ara-pitsarana mifanaraka amin’ny helony.”
Amin’ny alalan’ity fanambarana ity dia tian’ny fibaikoana ny hampiseho fa mijoro ho andry fiarovana sy fahamarinana ny Zandarimariam-pirenena, ary tsy hanaiky velively ny fanodikodinana ny andraikitra sy ny fahefana napetraka amin’ny zandary.
Nangonin’ Ilay Mahitsy
πŸ“· : notsimponina teto amin’ny tambazotra

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€π’π€πŒππŽπ’πˆπ“π‘π€ |π“πšπŸπšπ©πžπ­π«πšπ€πš 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐒π₯𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧-π€π¨πŸπ’ππ’πšπ§β€™π’ 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…