Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanakohoaka nandritra ny tolona

154 0
Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanakohoaka nandritra ny tolona nisy teny amin’ny  » Rond point,  » eo akaikin’ny kianjan’ny 29 Marsa ny teny manao hoe: miala Rajoelina.
👉 Tamin’ny telo ora tolakandro no efa hita teny amin’ny  » Rond point  » eo akaikin’ny kianjan’ny 29 Marsa ny Groupe Révolutionnaire eto Maevatanàna, izay niaraka tamin’ireo andian-tanora namaly ny antso amin’ny fanamafisana ny tolona efa misy ao Antananarivo, ary ny any amin’ny faritra hafa.
👉 Niara-niombona halahelo tamin’ireo olona namoy ny ainy sy ireo naratra nandritra ny tolona nisy ny Révolutionnaires, sady nitondra teny fisaorana tamin’ny fihetsika nasehoan’ireo miaramila avy ao amin’ny  » CAPSAT. « 
👉 Nanakohako nandritra ny tolona ny teny manao hoe: miala Rajoelina no nanamafy hatrany ireto farany, fa fotoana tokony hijoroan’ny rehetra amin’izay izao, amin’ny famongorana ny zavatra tsy mety natao tamin’ny mponina, tao anatin’ny taona maro izay. Nanentana hatrany izy ireo fa mitohy ny tolona, saingy tsy mbola voafaritra ny andro hanohizana izany hoan’ny eto Maevatanàna raha ny angom-vaovao voaray. Efa tazana teny an-toerana ihany koa ny mpitandro ny filaminana, nijery ny mety hisian’ny fandrobana sy fananaraotana.
👉 Nofaranan’ireo Groupe Révolutionnaire eto Maevatanàna sy ny andian-tanora tamin’ny alalan’ny dian-tongotra sy fitsofana kiririoka nihodina niverina teo amin’ny fokontany Morafenokely ny hetsika.

Related Post

Fanamarihana ny 29 mars Antsirabe.

Posted by - mars 29, 2025 0
Fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-bato manoloana ny garan’Antsirabe no nentina nanamarihana ny 29 marsa fahatsiarovana ireo maherifon’ny firenena tany Antsirabe.Nanotrona…

𝑳𝒊𝒆𝒖𝒕𝒆𝒏𝒂𝒏𝒕 𝑹𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑨𝑴𝑩𝑰𝑵𝑰𝑵𝑨 𝑯𝒆𝒓𝒏𝒐𝒍𝒅 | 𝐓𝐀𝐆𝐍𝐀𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀

Posted by - avril 19, 2025 0
𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐌𝐎𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐁𝐄𝐌𝐁𝐀𝐑𝐘 𝐓𝐀𝐆𝐍𝐀𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀 -𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐢𝐦𝐚𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐍𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐌𝐎𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀 𝐌𝐀𝐅𝐈 Ny 𝑳𝒊𝒆𝒖𝒕𝒆𝒏𝒂𝒏𝒕 𝑹𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑨𝑴𝑩𝑰𝑵𝑰𝑵𝑨 𝑯𝒆𝒓𝒏𝒐𝒍𝒅 izay lefitry ny…