SARTM: NIVOAKA TAMIN’NY FAHANGINANY MANOLOANA NY FANENDRENA TSY ARA-DALANA NY SOLOTENAN’NY ASECNA.

43 0
Tsy ara-dalàna ny fanendrena ny Solontenan’ny ASECNA eto Madagasikara hoy ny eo anivon’ny SARTM na ny Syndicat Autonome pour le Rassemblement des Travailleurs Malagasy.
Nahato tamin’ny asany mantsy ny masoivoho ny ASECNA teto Madagasikara tamin’ny 31 desambra 2024 ,ny 02 janoary anefa dia efa nisy masoivoho vaovao notendrena
Teo anatrehan’izay, nitaky ny Avis de Vacance de Poste ny sendika ny mpiasa tao amin’ny ASECNA ka navoaka izany kanefa tsy nesorina tamin’ny toerany akory ilay efa notendrena izay voalaza fa zanaky ny masoivoho teo aloha ihany.
 Natao kiantranoatrano arak’izany ny fanendrena ary mody navoaka fotsiny ny Avis de Vacance de Poste nanakonana ny azy kanefa tsy mifanaraka amin’ny fenitra ara-dalàna.
Manao antso avo amin’ny amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny syndicat autonome pour le rassemblement des travailleurs Malagasy (SARTM ) hijery akaiky ny zavamisy.
Notsipihan’izy ireo ihany koa fa hiniana takomana ny tena zavamisy ao amin’ny ASCENA ary misy ny fandrahonana anatiny mahazo ny mpiasa.
📝 M.Elvina

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼

Posted by - juillet 14, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 (𝖬𝖺𝗒 𝗇𝗒 𝗏𝗈𝗅𝖺 𝗂𝗄𝖺𝗋𝖺𝗄𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺 𝖿𝗂𝖽𝗂𝗋𝖺𝗇`𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺) ✦Kilan`ny afo ny…