SARTM: NIVOAKA TAMIN’NY FAHANGINANY MANOLOANA NY FANENDRENA TSY ARA-DALANA NY SOLOTENAN’NY ASECNA.

194 0
Tsy ara-dalàna ny fanendrena ny Solontenan’ny ASECNA eto Madagasikara hoy ny eo anivon’ny SARTM na ny Syndicat Autonome pour le Rassemblement des Travailleurs Malagasy.
Nahato tamin’ny asany mantsy ny masoivoho ny ASECNA teto Madagasikara tamin’ny 31 desambra 2024 ,ny 02 janoary anefa dia efa nisy masoivoho vaovao notendrena
Teo anatrehan’izay, nitaky ny Avis de Vacance de Poste ny sendika ny mpiasa tao amin’ny ASECNA ka navoaka izany kanefa tsy nesorina tamin’ny toerany akory ilay efa notendrena izay voalaza fa zanaky ny masoivoho teo aloha ihany.
 Natao kiantranoatrano arak’izany ny fanendrena ary mody navoaka fotsiny ny Avis de Vacance de Poste nanakonana ny azy kanefa tsy mifanaraka amin’ny fenitra ara-dalàna.
Manao antso avo amin’ny amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny syndicat autonome pour le rassemblement des travailleurs Malagasy (SARTM ) hijery akaiky ny zavamisy.
Notsipihan’izy ireo ihany koa fa hiniana takomana ny tena zavamisy ao amin’ny ASCENA ary misy ny fandrahonana anatiny mahazo ny mpiasa.
📝 M.Elvina

Related Post

𝐓𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐎 𝐕 – 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐋𝐀𝐇𝐘 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐑𝐎𝐍𝐆𝐎𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐋𝐀𝐍𝐉𝐀 𝟏𝟎 𝐊𝐈𝐋𝐀𝐎 𝐍𝐎𝐒𝐀𝐌𝐁𝐎𝐑𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀

Posted by - décembre 16, 2025 0
𝑴𝒊𝒕𝒐𝒉𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒅𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒑𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒉𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒛𝒂𝒗𝒂-𝒎𝒂𝒉𝒂𝒅𝒐𝒎𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 Ny alin’ny 13 Desambra 2025, nandritra ny fisafoana ara-pilaminana nataon’ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny…