TANTERAKA NY NOFINOFIN4IREO kAOMININA 08 NANDRITRAN4NY 20 TAONA MAHERY

220 0
饾悆饾悎饾悞饾悡饾悜饾悎饾悐饾悁饾悕’饾悎 饾悓饾悎饾悁饾悕饾悆饾悜饾悎饾悤饾悁饾悪饾悗,
饾悡饾悁饾悕饾悡饾悇饾悜饾悁饾悐饾悁 饾悕饾悩 饾悕饾悗饾悈饾悎饾悕饾悗饾悈饾悎饾悕’饾悎饾悜饾悇饾悗 饾悐饾悁饾悗饾悓饾悎饾悕饾悎饾悕饾悁 饾悤饾悁饾悑饾悗(饾煄饾煐) 饾悁饾悓饾悎饾悕’饾悕饾悩 饾悡饾悁饾悘饾悁饾悕饾悩 饾悁饾悤饾悁饾悜饾悁饾悡饾悜饾悩 饾悕饾悩 饾悆饾悎饾悞饾悡饾悜饾悎饾悐饾悁 饾悕饾悁饾悕饾悆饾悜饾悎饾悡饾悜饾悁 饾悕饾悩 饾煇饾煄 饾悡饾悁饾悗饾悕饾悁 饾悓饾悁饾悋饾悇饾悜饾悩
馃搶Vita ny BAC eo amin’ny reniranon’i Mahajilo mampitohy ny renivohitrin’ny distrikan’i Miandrivazo sy ireo kaominina valo (08) izay nitoka-monina nandritra 20 taona mahery sady nanjakan’ny asan-dahalo.
Raha tsiahivina dia isan’ny distrika nitondra faisana tamin’ny asan-dahalo i Miandrivazo taloha.
Betsaka ireo vazaha mpizahan-tany voaroba,ao anatin’ny kaominina iray nisy olona 20 matin’ny dahalo iray andro,tsy azo ivezivezena ny lalam-pirenena faha 34 fa tsy maintsy misy mandroba na dia amin’ny andro atoandro,tsy matory an-trano ny tantsaha isaky ny alina fa sao vaosaron’ny dahalo tampoka ao an-trano,tsy mahasahy mitoroka ny vahoaka satria matahotra valifaty raha toa ka afaka any ampigadrana ireo dahalo,na ny efa nigadra koa mbola afaka nanao asan-jiolahy foana nivoaka aty ivelany, betsaka ireo mpitandro filaminana maty sy naratra voatifitry ny dahalo,tsy maintsy nifampiraharaha tamin’ireo olon-dratsy ny mpandraharaha mba hiainana ampilaminana,eny na olomboafidy sy ny olomboatendry koa,tsy nazoto ireo mpiasam-panjakana toy ny mpampianatra ,ny mpiasan’ny fahasalamana niasa ambanivohitra fa nivangongo teo amin’ny renivohitrin’ny distrika.Tsy nanana karapanondro ny ankamaroan’ny olona satria tsy afaka nisava izany ireo mpitandro filaminana,efa ny dahalo no mifehin’ny fanjakana tany ambanivohitra.
MARIHINA FA BETSAKA ANEFA IREO OLONA TAFIDITRA ANATY TAMBAZOTRA TAMIN’IREO ASA RATSY NAMPAHORY VAHOAKA IREO NANDRITRA NY 30 TAONA LATSAKA.
馃憠TONGA NAMALY NY FITARAINANA NY FITONDRAM-PANJAKANA KA NANOLO IREO TOMPON’ANDRAIKITRA REHETRA MPIANTSEAHATRA AMIN’NY ADY AMIN’NY TSY FAHANDRIAMPAHALEMANA.
馃憠Ankehitriny noho ny ezaky ireo mpiantsehatra rehetra ireo,songadinina manokana amin’izany ny ZANDARIMARIA aty menabe, dia toa nofinofy izany satria afaka miaina ampilaminana na an-tsaha na an-tan脿na ny mponina.
馃憠Niverina tanteraka ny hasin’ny FANJAKANA:niverina nisokatra daholo ireo sekoly tany ambanivohitra,afaka mivezivezy ireo mpizahan-tany,eny na manokatra varavarana aza amin’ny alina dia tsy misy mpandroba.
Ny vahoaka aty an-toerana dia mivavaka ary manoha mandrakariva ireo paik’ady rehetra nataon’ireo mpitandro filaminana ka nahatonga vana amin’izao vokatra izao ary velom-pisaorana tanteraka ny fitondram-panjakana. Manenjika ankitsirano koa ireo olombitsy izay mbola maniasia.
馃憠Ankoatran’ny filaminana dia nisy ny fahavitana ny lalana mirefy 150 km eo ho eo tamin’ny volana jolay lasa teo ary tontosa tandroany 11 aogositra 2025 tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny bac eo amin’ny reniranon’i Mahajilo fokotany Tsinjorano kaominina ambonivohitra Miandrivazo.
Mipetraka ny fatokisan’ny manam-pahefana eny an-toerana sy ny vahoaka eo amin’ny zandarimaria.
Ka tonga nisaotra manokana ny komandin’ny vondrotobim-paritry zandarimaria Miandrivazo ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara sy ny lehiben’ny distrika.
鉁嶏笍RA PA

Related Post

饾悡饾悗饾悁饾悓饾悁饾悞饾悎饾悕饾悁 | 饾悕饾悗饾悆饾悗饾悜饾悁饾悕饾悁 饾悎饾悜饾悇饾悗 饾悤饾悁饾悜饾悩 饾悞饾悎饾悓饾悂饾悁

Posted by - janvier 14, 2024 0
饾悡饾悗饾悁饾悓饾悁饾悞饾悎饾悕饾悁 | 饾悕饾悗饾悆饾悗饾悜饾悁饾悕饾悁 饾悎饾悜饾悇饾悗 饾悤饾悁饾悜饾悩 饾悞饾悎饾悓饾悂饾悁   Notanterahina omaly tao Tanandava ny fandorana ireo vary simba ,izay hita tao amina…