MIHARIPAKA NY ALA AMIN’INY FARITRA ATSINANANA INY

440 0
Manomboka ripaky ny doro-tanety nohon’ny afitsok’ireo Mpanao tavy ny ala amin’iny faritra atsinanana iny, indrindra fa ireo ala manamorona ny lalam-pirenena faharoa (RN2)
Manomboka eo Mandraka Park, mipaka hatrany Toamasina Renivohitr’i Betsimisaraka iny, dia tsikaritra fa miha solaloha ireo tendrombohitra, ary manomboka mangadihady ny tanety, satria dia doran’ny olona ny ala, mirehitra ireo Ravinala, izy tena singa iray hamantarana an’i Madagasikara.
Raha araka ny filazan’ilay Mpivarotra Hotely iray ao Antsampanana, dia vokatry ny hafitsok’ireo Mpanao Tavy, Mpandoro Saribao, no nahatonga izao, na izy izy io iniana natao, na vokatry ny tsy nahy nohon’ny herin’ny rivotra izay mitondra ny afo.
Fa i Verohanitra, mpianatra ao amin’ny Lysea RABEMANJARA indray dia nilaza fa rehefa hanafika any ambanivolo any ny dahalo, dia doran’izy ireo aloha ny ala na ny tanety, miezaka mamonjy mamono afo ny olona, dia miditra an-tanagna mora foana izy ireo.
Manoloana izany, dia mangataka ny Ministera mpiahy ny mponina hijery manokana izao fahavoazan’ny tontolo iainana izao, fa ho ringana tanteraka ny alan’ny Atsinanana raha mitohitohy ny tahaka izao.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢

Posted by - février 4, 2024 0
« 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 » 𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢   𝗔𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟯.𝟬𝟮.𝟮𝟬𝟮𝟰…