Fandrobana tany ao Antsirabe : Mivoaka amin’ny fahanginana ny tompon’ny Madagascar Autruche, milaza fa manana ny antontan-taratasy ara-dalàna rehetra Taorian’ny volana maro nisian’ny fifanolanana sy ny fibodoana tany ao amin’ny toeram-piasan’ny orinasa Madagascar Autruche, any Tsivatrinikamo, Antsirabe, dia nanao fanambarana ampahibemaso ny tompon’ny orinasa.
Nambarany fa manana ny antontan-taratasy ara-dalàna rehetra manamarina ny fananany ilay tany izy ireo, ary efa eo am-pelatanan’ny Fitsarana ny raharaha. Taorian’ny fahanginana naharitra volana maro, dia naneho ny heviny ampahibemaso ny tompon’ny orinasa Madagascar Autruche, miorina ao Tsivatrinikamo, Antsirabe, manoloana ny raharaha fibodoana sy fifanolanana momba ny tany izay iasan’ilay orinasa. Araka ny fanambarana nataon’ny orinasa, dia misy andian’olona voalaza fa nibodo sy nampiasa ilay tany, ka nambaran’izy ireo fa tohanan’olona manana fahefana. Nambaran’ny orinasa ihany koa fa misy ezaka ataon’ireo olona ireo hampiseho fa izy ireo no manajary sy mampiasa ilay tany, ka izany no antony nanaovan’izy ireo fanazavana ampahibemaso.
Nanentana ny olom-pirenena ny tompon’ny orinasa mba tsy ho voafitaka amin’ny vaovao na fanambarana samihafa miely momba ity raharaha ity. Araka ny fanazavany, dia manana Certificat de Situation Juridique, titre foncier ary ireo antontan-taratasy ara-dalàna hafa manamarina ny fananan’ny orinasa ilay tany izy ireo. Nohazavain’ny tompon’ny orinasa ihany koa fa teratany Malagasy, teraka sy lehibe tao Antsirabe izy, ka nolaviny ny filazana miely fa fananan’ny vahiny na « colon » ilay toerana.
Nambarany fa manana porofo ara-panjakana sy ara-dalàna rehetra manohana ny filazany izy ireo. Raha ny tantaran’ny orinasa nohazavaina, dia efa nanomboka niasa tao amin’ilay toerana ny Madagascar Autruche nanomboka tamin’ny taona 1994, ary efa am-polony taona no nitanana sy nampiasana ilay tany araka ny lalàna. Mikasika ny zava-nitranga, dia nilaza ny orinasa fa tamin’ny volana Novambra 2025 no nisy olona niditra an-keriny tao amin’ilay toerana.
Araka ny fanambarana, dia nisy tamboho noravana, traktera sy fitaovana maro nodorana, ka naharitra ora maromaro vao voafehin’ny mpamonjy voina ny afo. Nambaran’ny orinasa fa mbola nitohy taorian’izay ny fibodoana, ka nisy fanorenana trano sy fambolena tao anatin’ilay faritra, ary voalaza ihany koa fa nisy fitaovana very sy mpiasa nandalo fandrahonana. Tsy mbola voamarina tamin’ny loharano mahaleo tena ireo filazana ireo tamin’ny fotoana namoahana ity fanambarana ity.
Araka ny fanazavan’ny tompon’orinasa, dia nisafidy ny tsy hanao fanambarana ampahibemaso nandritra ny fotoana ela izy ireo noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena. Ankehitriny anefa, hoy izy ireo, dia efa eo anivon’ny Fitsarana ny raharaha, ary nambaran’ny orinasa fa efa misy olona namoahan’ny Tribonaly Avis de Recherche, sady mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fanenjehana ireo voarohirohy araka ny lalàna. Etsy ankilany, nilaza ihany koa ny Madagascar Autruche fa efa manohy ny asa fanarenana sy famefena ny faritra simba izy ireo, ho fiarovana ny fananany sy ny fitohizan’ny asa ataon’ny orinasa.
Nangonin ‘Lay Mahitsy




