Ny 15 Jolay 2024 no nanombohana ny fanamboarana ny lalana mihazo an’i Manakambahiny Antsinana ato amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka ary ny Zoma 04 Oktobra 2024 teo no nanoloran’ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro Dr Guy RAMAROSANDRATANA izany tamin’ny fomba ofisialy ho ampiasan’ny vahoaka rehefa vita soamantsara.
Nanano sarotra ny fanamboarana ity lalana mirefy 45 km satria efa tena ratsy dia ratsy tokoa noho izy tsy mba nisy fikarakarana tao anatin’ny 30 taona mahery, ka nisaotra ny Filoha Andry Rajoelina ny Governora tamin’ny fanomezana ireo fitaovana izay tantanan’ny Fiadidiana ny faritra nampiasaina tamin’ny fanamboarana ny lalana.
Notoloran’Andriamatoa Governora fankasitrahana manokana moa ireo nifanome tanana tamin’ny famatsiana ny soloko izay nahitana ireo zanaka ampielezana, ny fidianana ny Kaominina, ireo vahoaka, ny solombavam-bahoaka, ireo mpandraharaha ary nomeny fisaorana manokana ny tale jeneralin’ny orina Fanalamanga Andriamatoa ArlΓ¨me Rabevahiny sy ny Minisitry asa vaventy teo aloha Colonel Livah Andrianatrehina.
Tsy ho sahirana intsony araka izany ny vahoaka amin’ny famoahana ny Vokatra ary azo antoka ihany koa fa hiazakazaka ny fandrosoan’ny Kaominina Makambahiny Antsinana nohon’ny fahavitan’io lalana io ka velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana sy ny Fiadidiana ny faritra ary ireo rehetra nifanome tanana tamin’ny fanamboarana ny lalana izy ireo.
Nanafatrafatra ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny any antoerana sy ny vahoaka ny amin’ny tokony hanajana sy hikojakojana ny lalana kosa Andriamatoa Governora ary nanamafy ny tokony hametraha sy hanaja ireo « BarriΓ¨re de PluieΒ Β» ary ny tokony hifandrombonana amin’ny asa tana maro raha ilaina mba hampanteza io fotodrafitr’asa iombonana io.