MORONDAVA NAMPAFANTARIANA NY LALANA MIFEHY NY FIFAMOIVOIZANA IREO MPITONDRA POSY

277 0

Manoloana ireo zava-misy sy fitarainana maro mikasika ireo mpitondra posy dia handray andraikitra sy hampiatra fepetra ny eo anivon’ny zandarmeria ato Morondava fa aloahan’izay dia beazina ireo mpitondra posy ary omena torimarika ny tompon’ny posy ka nototosaina omaly alahady tao amin’ny tokotany malalaky ny zandarmiaria Morondava izany izay notarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobipileovana Menabe colonel Onimihary Ralaiavy Fanevason niarahany tamin’ny kaomadin’ny brigade ny zandarmeria Morondava sy ny eo anivon’ny fitsirihana fiarakodia niaraka ny avy eo amin’ny kaominina ka nampianarina ireo mpitondra posy ny resaka fahadiovana sy ny fahalalam-pomba rehefa mitondra posy ary eo koa ny fampafantarana azy ireo ny lalana mifehy ny fifamoivoizana eto amintsika ary fampafantarana azy ireo ny takelaby fampafantarana eny an-dalana ary ny fikojakojana ny posy .

Izany no natao dia mba hisoroahana ny loza mety hitranga ao aorian’izao moa dia hiroso amin’ny fampihofanana azy ireo ho an »izay mbola tsy navita ny eo amin’ny zandarmiaria sy ny kaominina ka tsy maintsy manao bagde avokoa ny mpitondra posy rehetra ka rehefa vita ny fampihofanana dia hiroso amin’ny fanarahamaso sy fizavana ary fandraisana andraikitra ho an’ireo posy sy mpitondra posy tsy manara-dalana ny eo anivon’ny zandarmiaria

Nangonin’i RA PA

Related Post

✓ 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐄𝐑𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍-𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘

Posted by - mai 3, 2024 0
𝑻𝒐𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒔𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒕𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒕𝒔𝒊𝒎𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒂𝒉𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒂 𝒔𝒚 𝑻𝒐𝒍𝒊𝒂𝒓𝒚 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒂𝒓𝒂-𝒎𝒂𝒏𝒌𝒂𝒍𝒂𝒛𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐…