FANKALAZANA NY 64 TAONA NY FAHALEOVAN_TENAM_PIRENENA FARITRA MENABE

453 0

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 22 Jiona ny fety fankalazana ny fetim_pirenena Malagasy sy ny tsingerin_taona ny nijoroan’ny foloalindahy Malagasy ny fanokafana ny kermesy izay karakarain’ny Miaramila no noentina nanamarika izany kermesy izay hitohy isan’andro ahitana ireo karazana kilalao sy varotra maro ary indrindra ny fisian’ny fampirantiana ireo fitaovana ampiasainy foloalindahy eto Menabe sy fampafantarana ireo andry telo miandraikitra ny filaminana dia ny Tafika sy ny zandarmiaria ary ny polisim_pirenena
Nilaza moa ny Jeneraly Randriantaolo Honoré komandin’ny ZDS Tsiribihy fa hiavaka tanteraka ity kermesy 2024 satria hanehoan’ireo foloalindahy firaisakina ho an’ny fampandrosoana marina ny firenena ary ny filaminana izay efa sitrahin’ny vahoaka ankehitriny dia avadika ho fampaara_ekonomika.
Hetsika maro moa no entina hankalazana ny fetim_pirenena ato Menabe eo ny kermesy ary ireo fifaninana ara_panatanjahan_tena maro ary ny afomanga isaky ny renivohitry ny distrika ato Menabe indrindra moa fa ny fanaovana arendrina sy ny matso lehibe ny andron’ny 26 Jiona.
Nilaza moa ny Préfet an’ny Morondava Andriamatoa Rafidison Fidèle fa ny marainan’ny 26 Jiona dia tsy azo atao ny mivarotra zava_pisotro mahamamo, ary entanina ihany koa hoy izy ny fananganan_tsaina ho an’ireo izay mbola tsy nanangana izany.
Nangonon’ny Ra-Pa Menabe

Related Post

𝐇𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐞𝐧𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐢𝐡𝐨𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐞𝐟𝐲, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐑𝐚𝐤𝐨𝐭𝐨𝐦𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚

Posted by - octobre 11, 2025 0
Antananarivo — Nanao fanambarana manokana ireo manamboninahitra ambony mitana ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tarihin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Jean Herbert Rakotomalala,…