KAOMININA ANOSY AVARATRA

612 0
📌 20 Kilaometara miala an’Antananarivo Renivohitra, manaraka ny Lalam-pirenena Faha3 iny no ahitana ny Kaominina Anosy Avaratra, ao anatin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga.
Kaominina izay azo lazaina fa mbola zandriny ihany, satria ny taona 2015 no nosarahina tamin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Ahitana fokontany 5, ary misy mponina 16 000 Isa eo ho arakan’ny fanisana natao farany teo.
 
📌 Na dia mbola Kaominina Zandriny arak any filazana azy tery ampiandohana aza izy, dia azo lazaina fa sonjo mihoatra ankondro ihany, ahitana foto-drafitr’asa maro ato anatin’ity Kaominina ity, toy ny Hopitaly, Paositry ny Pôlisy, Sekoly sy ny maro tsy voatan’isa. Araky ny fanazavana nomen’Andriamatoa Ben’ny Tanana, dia mbola maro ny ezaka ho hatao ary betsaka ny tanjona ho tratrarina amin’io taona vaovao miditra io, fanamby lehibe hoazy sy ireo mpiara-miasa aminy izany.
 
 

𝐍𝐎𝐓𝐎𝐋𝐎𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐃𝐘 𝐀𝐊𝐎𝐇𝐎 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐙𝐎𝐊𝐈𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀
 
📌 Ankatok’izao asaramanitra izao àry, dia tsy nanadino ny fiaraha-mifaly amin’ireo Zokiolona eto an-tanana Andriamatoa Ben’ny Tanana, ka Zokiolona miisa 200 isa, miparitana ao anatin’ny Fokontany 5 no nozaraina fanampiana sy fanomezana hiaraha-mifaly.
 
📌 Tsara ny mahafantatra fa ity fanomezana ity, dia tan-tsoroka avy amin’ny Fikambanana tsy miankina iray antsoina hoe DIRECT AID, Fikambanana izay mijoro sy miasa eto amin’ny Kaominina.
 
📌 Fisaorana omban-tsodrano, ary fifaliana no nasetrin’ireo Ray aman-dreny an’izany fihetsika maha te-hidera nasehon’ny fiadidian’ny tanana sy ireo mpiara-miasa aminy izany, indrindra fa hoan’ilay Fikambanana Direct Aid.
….
📌 Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Ben’ny Tanana, dia nirary soa sahady ny vahoak’Anosy Avaratra izy ho tratry ny taona vaovao, ary mirary fety sambatra feno fahombiazana hoan’ny olona tsirairay.

Nangonin’ Ilay Mahintsy

 

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…

𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆.

Posted by - octobre 3, 2023 0
𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆. Miantsoroka andraikitra sarotra, mihatra aman’aina ny mpanao gazety, manatanteraka ny…