MANDROSOA AMBOHITROLOMAHITSY : MITOHY HATRANY NY FAMPIHOFANANA IREO TANTSAHA ISAM-POKONTANY

50 0
 Tontosa ny Alakamisy 4 Oktobra 2024 tontolo andro ny fampihofanana ireo tantsaha maro be tao @ fokontany Mandrosoa Ambohitrolomahitsy Manjakandriana mahakasika ny fanamboarana savony hidiovana sy fampiasa @ filan’ny mponina @ andavanandro.
Miisa 80 ireo tantsaha nandray anjara t@ ity fiofanana savony sy ranon-tsavony ity Ary hoentin’izy ireo hampiarina @ fiananany andavanandro izany raha toa ka ao ihany koa ireo mikasa hanao fampidiram- bola mahakasika azy ity.
Nanambara ny mpampiofana Lalaina RABEZANAHARY fa afaka atao vadin’asa tsara eto @itsika ny karazana fiofanana tahaka itony fa indrindra ny eny @ tontolo ambanivohitra izay lavitra mpivarotra sns.
‼️ Ny  » Association SAKAIZAN’I BOSCO » no nikarakara ity fampihofanana ity Ary nividy ireo akora rehetra ilain’ny tantsaha ahafahana manantontosa izany.
Ankoatra ny fampihofanana,hiditra lalina @ ny famaliana ireo fangatahin’ny mponina maro be ao an-toerana mahakasika ny fotodrafitrasa sy ny sosialy ary ny fampihofanana maro samy hafa ny Association SAKAIZAN’I BOSCO manomboka eto.
Nangonin’i Malala Tsa

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…