Novakian’ny jiolahy ny biraon’ny fitsarana ao Toamasina

315 0

Ny alin’ny talata lasa teo dia novakian’ny jiolahy ny biraon’ny fitsarana ao Toamasina .

raha ny fanambaran’ireo loharanom-baovao avy any an-toerana dia tsy naka na inona na inona ireo jiolahy raha ny fahitana ireo entana tsy nisy niala na nihetsika tamin’ny toerany.

Tombanan’ireo mpanao fanadihadiana arak’izany ho fikasana hibata ny vatavy mihidy izay fitoeram-bola na « coffre » izay sady fitahirizana ireo basy poleta tratra tany amin’ireo jiolahy ka giazan’ny fitsarana no mety ho anton’ny namakian’ireo tsy valahara birao.

Nivoitra tao anaty famotorana savaranonando fa mety ho olona efa mahay tsara ny momba ilay birao ihany no nahavanon-doza.

arahintsika eto ihany ny tohiny …

Related Post

𝐂𝐄𝐆 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐥𝐨 𝐓𝐚𝐥𝐚𝐭𝐚 𝐕𝐨𝐥𝐨𝐧𝐨𝐧𝐝𝐫𝐲: 𝐞𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚

Posted by - juin 11, 2026 0
𝑵𝒐𝒕𝒐𝒌𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 11 𝑱𝒐𝒏𝒂 2026 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑪𝑬𝑮 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒍𝒐, 𝑲𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒏𝒊𝒗𝒐𝒉𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑻𝒂𝒍𝒂𝒕𝒂 𝑽𝒐𝒍𝒐𝒏𝒐𝒏𝒅𝒓𝒚, 𝒏𝒚 𝒆𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒇𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒂𝒐𝒗𝒂𝒐. 𝑭𝒐𝒕𝒐𝒅𝒓𝒂𝒇𝒊𝒕𝒓𝒂𝒔𝒂 𝒉𝒆𝒗𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂…